"Fa fantatr'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy." — Gen. 3:5.
Mofon’aina:
Rehefa hitan'i Eva fa "tsara ho fihinana ny hazo sady ahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany". (...) Tamin'ny fandikany izay nambaran'Andriamanitra dia nanjary mpaka fanahy ny vadiny izy, "ka dia nihinana izy" - Gen. 3:6. "Hahiratra ny masonareo" hoy ilay fahavalo; "ho tahaka an 'Andriamanitra hianareo hahalala ny tsara sy ny ratsy" - and. 5.
Nahiratra tokoa ny masony, saingy fahiratana mampalahelo manao ahoana re izany! Ny fahalalana ny ratsy sy ny ozon'ny fahotana no hany azon'ireo mpandika lalàna. Tsy nisy poizina akory tao amin'ilay voankazo, ary tsy ny fihinanana izany ihany no fahotana, fa ny tsy fitokiana tamin'ny fahatsaran'Andriamanitra, ny tsy finoana ny Teniny, ary ny fandavana ny fahefany no nahatonga ireo razambentsika voalohany ho mpandika lalàna. (...)
Very avokoa ny zavatra rehetra satria nifidy ny hihaino ilay mpamitaka ny olombelona toy izay ilay Fahamarinana izay hany manana ny fahalalana. Nanjary sahiran-tsaina ny olona rehefa nanafangaro ny tsara sy ny ratsy, nanjary votsa ny sainy sy ny fanahiny ka tsy hainy intsony ny mitia ny fahatsarana natolotr'Andriamanitra maimaimpoana.
Nifidy ny fahalalana ny ratsy i Adama sy i Eva, ka na dia ho tafaverina amin'ny toerana izay very teo aloha azy izy dia ho amin'ny fahasarotana, vokatr'izay nataony ihany. Tsy afaka nitoetra tao Edena intsony izy, ary tsy afaka ny hampianatra azy ireo . ny lesona nilainy sy mahasoa azy ny fahatanterahana tao. Tamin' alahelo tsy hay lazaina no nandaozany ilay toeram-ponenana mahafinaritra nisy azy, ka nifindrany tany amin'ny tany nitoeran'ny ozon'ny fahotana. (...)
Na dia rotiky ny ozona aza ity tany ity dia mbola navela ho bokin-desona ho an'ny olombelona hatrany ny zavaboary. Tsy ny tsara irery ihany intsony no hita eo aminy, satria eny rehetra eny koa ny ratsy ka manimba ny tany sy ny ranomasina ary ny rivotra. Maharay fampitandremana tsy miato avy amin'ny zavaboary, izay maneho ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy ankehitriny, ny olombelona, vokatry ny fahotana. — Fk, tt. 21,22.