Mazava ny ambaran'ny Soratra Masina: tia ny olon-drehetra Andriamanitra. Ny andalan-teny be mpahalala indrindra ao amin'ny Soratra Masina no manambara izany fahamarinana izany, dia ny Jao. 3:16: "Fa toy izao no nitiavan Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."
Vakio ny Sal. 33:5 sy ny Sal. 145:9. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fahalehibeazan'ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fiantrany?
Tsianjery: "Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy." - Jao. 14:23
« Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesôsy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » Lio. 3:21,22.