Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao 18:37; Rôm. 3:23-26; Rôm. 5:8; Isa. 5:1-4; Mat. 21:33-39; Isa. 53:4; Rôm. 3:1-4.
Tsianjery:
"Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesôsy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao по nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko." - Jao. 18:37.
Taona vitsivitsy lasa izay, nisy tantara mahaliana iray ho an'ny ankizy navoaka tao amin'ny gazetiboky "Guide". Zazalahy iray antsoina hoe Denis no ifantohan'ny tantara. Kamboty notezain'ny fianakaviana iray nandritra ny Vanim-potoana Antenantenany izy. Nankahala tanteraka ny mpanjaka teo amin'ny fireneny i Denis satria, rehefa narary ny ray aman-dreniny, dia nentin'ny miaramilan'ny mpanjaka izy, ary tsy nahita azy ireo intsony. Taty aoriana vao fantany fa nosarahin'ny mpanjaka izy ireo mba tsy hahazo ny sisa velona tamin'izany fotoana izany ny horohoron'ny pesta mainty. Nanaisotra ny fankahalana tao am-pon'i Denis, izay nokolokoloiny saika nandritra ny androm-piainany, ny fahamarinana momba ny mpanjaka. Izay rehetra nataon'ny mpanjaka dia nataony noho ny fitiavany ny vahoakany.
Maro ankehitriny no toa an'i Denis rehefa mihevitra ny momba an' Andriamanitra. Ny faharatsiana hitany na niainany no mahatonga azy ireo hankahala na handå an'Andriamanitra. Aiza Andriamanitra ao anatin'ny fijaliana? Raha tsara Andriamanitra, nahoana no be ny faharatsiana? Manampy antsika amin'ny fahatakarana izany lohahevi-dehibe izany ilay fifanandrinana lehibe, saingy fanontaniana maro no mbola mipetraka. Kanefa, rehefa tsy afa-po amin'ny ezaka rehetra ataontsika mba hahazoana valiny isika, dia afaka mibanjina an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana ka mahita ao Aminy fa azo itokiana Andriamanitra, na dia mikasika ireo fanontaniana rehetra tsy mbola voavaly hatramin'izao aza.
*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Martsa.