Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 22:34-40; Zak. 7:9-12; Sal. 82; Mika 6:8; Mat. 23:23-30; Lio. 10:25-37.
Tsianjery:
"Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?" - 1 Jao. 4:20
NAndriamanitra amin'ny farany, dia mbola manan-dania hatrany ny zavatra ataontsika eto amin'izao andro izao, amin'ny maha-Kristianina antsika. Na dia maro aza ny tsy rariny sy ny faharatsiana izay tsy hofoanan'Andriamanitra izao ankehitriny izao (vokatr'ireo fepetran'ny fifanandrinana lehibe), dia tsy midika izany fa tsy azo ampiasaina isika mba hanampy amin'ny fanamaivanana ny fahoriana sy ny faharatsiana eo amin'ny lalantsika, araka izay tratra farafahakeliny. Raha ny marina, dia adidintsika amin'ny maha-Kristianina ny manao araka izany.
Araka izay efa hitantsika, dia miara-dalana ny fitiavana sy ny rariny ary tsy afa-misaraka. Tia ny rariny Andriamanitra. Araka izany, raha tia an'Andriamanitra isika, dia ho tia ny rariny koa.
Raha tia an'Andriamanitra isika dia hifankatia koa. Anisan'ny fitiavana ny hafa ny fiheverana izay mahasoa ireo manodidina antsika. Tsy tokony hitazam-potsiny isika rehefa ampahorin'ny fahantrana sy iharan'ny fampijaliana na ny karazana tsy rariny ny hafa. Tsy tokony hodiantsika tsy hita ny fahorian'ny hafa fa mety indrindra ny hanontaniantsika tena ny amin'izay tokony hatao, isika manokana sy miaraka amin'ny hafa. Izany dia mba hampandrosoana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahamarinana amin'ny fomba izay maneho amin'ity tontolo simba ity ny toetra tonga lafatr'ilay Andriamanitry ny fahamarinana sy ny fitiavana izay ivavahantsika.
*Famerenana ny lesona ny sabata 22 Martsa.