Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 13:24-27; Gen. 1:31; Ezek. 28:12-19; Isa. 14:12-15; Mat. 4:1-11; Jao. 8:44,45.
Tsianjery:
"Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." Gen. 3:15.
Mibahana ao amin'ny fampianaran'ny Baiboly ny fifanandrinana lehibe ifanaovan'i Kristy sy i Satana. Na sary mivandravandra ao amin'ny Soratra Masina aza ny ady lehibe nifanaovan'Andriamanitra sy ireo anjely izay lavo sy nikomy tamin'Andriamanitra tany an-danitra (Mat. 13:24-30, 37-39; Apôk. 12:7-10), ka efa tsy vaovao amin'ny fivavahana kristianina ankapobeny ny amin'izany, dia maro ireo Kristianina mandà na manao ambanin-javatra ilay lohahevitra manontolo.
Raha ny fomba fijery ara-Baiboly anefa, ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe, izay ifanoheran'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny devoly sy ny anjeliny, dia tsy azo odian-tsy hita satria mandrafitra ny ampahany lehibe amin'ireo fitantarana ao amin'ny Baiboly izany. Na ny Filazantsara efatra fotsiny aza dia efa feno filazana momba ny devoly sy ireo demonia izay manohitra an'Andriamanitra.
Hanombohantsika ity herinandro ity dia hodinihintsika ny fomba mety hamaliana ireto fanontaniana roa manaraka ireto, araka ny voalazan'ireo andininy manan-danja sasany ao amin'ny Baiboly:
- Aiza ao amin'ny Soratra Masina no milaza fa misy ady lehibe ifanaovan Andriamanitra sy i Satana?
- Araka ny Soratra Masina, manao ahoana ny toetr'izany ady izany?
*Famerenana ny lesona ny sabata 01 Martsa.