"Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen 'Andriamanitra antsika." - 1 Kôr. 2:12.
Mofon’aina:
Na eto amin' ity fiainana ity aza dia fikasan'Andriamanitra ny hivelaran' ireo fahamarinan'ny Teniny lalandava eo imason'ny olony. Ny fahazavan'ny Fanahy Masina ihany, izay nanome ny Teny, no ahazoantsika fahalalana ny Tenin'Andriamanitra. «Tsy misy mahalala ny ao am-pon ' Andriamanitra, afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany; - fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza» -1 Kôr. 2:10,11. (...) «Raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; (...) fa handray avy amin'ny Ahy Izy, ka hanambara izany aminareo» - Jao. 16:13.
Irin'Andriamanitra ny ampiasan'ny olombelona ny fahaizany misaina; ary tsy misy fianarana hafa manatanjaka sy manandratra ny saina tahaka ny fianarana Baiboly. (...) Na izany aza, aoka isika hitandrina mba tsy hanao ny saina ho andriamanitra, izay be fahalemena sy tsy tanteraka amin'ny maha-olombelona. Raha tsy tiantsika ho maizina amintsika ny hevitry ny Soratra Masina, ka tsy ho takatsika ny fahamarinana tsotra indrindra, dia tsy maintsy manana ny fahatsorana sy ny finoan'ny zaza isika, vonon-kianatra sy mitalaho ny fanampian'ny Fanahy Masina. Tokony hampanetry tena antsika ny fahatsapana ny hery sy ny fahendren'Andriamanitra, ary ny tsy fahatakaran'ny saintsika ny fahalehibiazany. Amin-tahotra masina no tokony hanokafantsika ny Teniny, tahaka ny mankeo anatrehany. Rehefa manoloana ny Baiboly isika, dia aoka hanaiky fa misy fahefana ambony noho ny saintsika, ary tsy maintsy miankohoka eo anatrehan'ilay IZAHO IZAY IZY lehibe ny fo sy ny saina. (...)
Fa izay rehetra mankeo amin'ny Baiboly amin'ny toe-tsaina vonona ny hampianarina sy hivavaka (...), mba handinika ny Tenin'Andriamanitra, dia hahazo fahazavana avy amin'Andriamanitra. (...)
Harem-pahamarinana maro no mbola tokony ho hitan'izay mikatsaka amim-pahazotoana. Nampitovin' i Kristy tamin'ny harena miafina ao amin'ny saha iray ny fahamarinana. Tsy hita etST ivelany izy io, fa tsy maintsy trandrahintsika. Tsy dia miankina amin'ny fahaizantsika misaina loatra anefa ny fahombiazantsika eo am-pitadiavana azy, fa amin'ny fanetren-tena sy ny finoana izay hifikitra amin'ny fanampian'Andriamanitra. — TFC, b. 5, tt. 703,704.