Ambaran'ny Soratra Masina fa tia ny rariny Andriamanitra ary mankahala ny ratsy (jereo ohatra ny Sal. 33:5 sy ny Isa. 61:8), ary manohina Azy tanteraka ny tsy rariny ariny izay mahatonga Azy haneho fahatezerana ara-drariny manoloana ny fampahoriana ny hafa. Manerana ny Testamenta Taloha sy Vaovao, dia miantra mandrakariva ireo iharan'ny fampijaliana sy ny fampahoriana Izy, ary maneho fahatezerana ara-drariny amin'ireo mpampahory.
Vakio ny Sal. 82. Ahoana no anehoan'io Salamo io ny fiheverana lalina ataon’Andriamanitra mikasika ny rariny eto amin'ity tany ity? Inona no mety ho hevitr'izany ho antsika amin'izao andro izao?
Araka ny fahatakaran'ny mpanao famakafakana maro io Salamo io, dia sady manameloka ireo mpanapaka eto an-tany izay tompon'andraikitra amin'ny tsy rariny eo amin'ny fiarahamonina izany no manondro koa ny fotoana izay itsaran Andriamanitra ireo mpanapaka eny amin'ny rivotra (ireo "andriamanitra") ao ambadik'ireo mpitsara sy mpanjaka ratsy fanahy (ny herin'ny demonia, mazava loatra). Misy fanontaniana miantefa manokana amin'ireo mpitsara, manao hoe: "Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?" - Sal. 82:2.
Izao no andraikitra omena azy ireo ao aoriana kely: "Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; vonjeo ny mahantra sy ny malah malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy." - and. 3, 4. Manao antso ho amin'ny fampanjakana ny rariny ny mpaminanin'ny Testamenta Taloha eto sy any amin'ny andalan-teny hafa. Tsy ataon'ny Soratra Masina ambinambin-javatra tsy akory izany fa ivon'ny hafatra nentin'ireo mpaminany manerana ny Testamenta Taloha sy ny teny nataon'i Jesôsy fony Izy tonga nofo.
Tsy zava-miafina ho an'ireo mitonona ho tia sy mankatò an'Andriamanitra ny faniriana sy ny fitakian'Andriamanitra. Ambarany mazava ao amin'ny Mika 6:8 izany (ary any amin'ny andalan-teny mitovy amin'izany any amin'ny boky hafa): "Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehovah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena."
Averimberina manerana ny Soratra Masina izany foto-kevitra izany. Izao, ohatra, no nambaran'i Jesôsy: "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia." 4:8-16. - Jao. 13:35; ampitahao amin'ny 1 Jao.
Hanao ahoana ny fianakaviantsika sy ny fiangonantsika raha toa isika mifantoka amin'ny Mika 6:8 ary mampihatra izany tokoa amin'ny teny sy ny asa? Na inona na inona tontolon-kevitra misy anao, ahoana no anehoana amin'ny fomba tsara kokoa ny fampiharana ireo foto-kevitra ireo?