Marina fa misy fahavalo am-perinasa, izay antsoin'i Kristy hoe "andrianan'izao tontolo izao", kanefa i Jesôsy Kristy no tena mpanjakan'izao rehetra izao. Nandresy ho antsika i Jesôsy , ary ao Aminy no ahazoantsika fandresena, na dia ao anatin'ny ady sarotra sy ny fahoriana aza. Eny tokoa, manohitra ny fahavalo tsy an-kitsahatra ny asan'i Kristy.
Hitantsika fa faritan'ny Soratra Masina toy izao ny devoly:
- ilay mpamitaka izao tontolo izao hatramin'ny taloha (Apôk. 12:9; Mat. 4:3; Jao. 8:44; 2 Kor. 11:3; 1 Jao. 3:8).
- ilay mpanendrikendrika sy mpiampanga an'Andriamanitra sy ny vahoakany any an-danitra (Apôk. 12:10; Apôk. 13:6; Joba 1-2; Zak. 3:1,2; Joda 9).
- ilay andriana sandok'izao tontolo izao (Jao. 12:31; Jao. 14:30; Jao. 16:11: Asa. 26:18; 2 Kôr. 4:4; Efes. 2:2; 1 Jao. 5:19).
Vakio ny Jao. 18:37. Inona no ambaran’izany amintsika momba ny asan'i Kristy Izay manohitra ny famitahan'ny fahavalo? Inona no hevitry ny hoe Mpanjaka i Jesôsy ?
Na milaza aza ny Soratra Masina fa mpamitaka, mpanendrikendrika, mpiampanga, ary andrianan'izao tontolo izao i Satana, dia ampianariny koa fa i Jesôsy no mpandresy an'i Satana amin'ny lafiny rehetra.
- Tonga teto amin'izao tontolo izao i Jesôsy, mba hanambara ny marina (Jao. 18:37).
- Tamin'ny fomba faratampony, teo amin'ny hazo fijaliana, no nanehoan'i Jesôsy ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra tonga lafatra (Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8), ka naharihariny tamin'izany ny fitaky ny devoly tamin'ny fanendrikendrehany Azy (Apôk. 12:10,11).
- Ary amin'ny farany dia horavan'i Jesôsy ny fanjakan'ny devoly, izay mahafantatra fa "kely sisa ny androny" (Apôk. 12:12; ampitahao amin'ny Rôm. 16:20), ary i Kristy kosa "no hanjaka mandrakizay mandrakizay" -Apôk . 11:15.
Na inona na inona ataon'i Satana amin'ny farany, dia fahavalo efa resy izy, ary ny fitakiantsika isan'andro ny fandresen'i Kristy ho an'ny tenantsika, sy ny fitakiantsika ireo teny fikasana omen'ny hazo fijaliana antsika, no vahaolana ho antsika.
Ela fantatsika hoe iza no mandresy ao anatin'llay fifanandrinana lehibe. Misy fiantraikany amin'izay mety ho anjarantsika amin'ny farany ny safidy ataontsika isan'andro, amin'ny fomba ahoana? Ahoana no ahazoantsika antoka fa ao amin'ny antokon'ny mpandresy no misy antsika na dia izao ankehitriny izao aza?