"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
Raha ny drafitr Andriamanitra tany am-piandohana dia tsy natao hanana mpanjaka olombelona na ny ny Isiraely, tsy natao ho tahaka ireo firenena hafa izay nanana ny mpanjakany izy. Nihena an-dalana anefa ny finoan'ny Isiraelita ka nanjary naniry ho tahaka ny firenena hafa rehetra izy ireo, mba hanana izay ananany koa.
Vakio ny 1 Sam. 8:4-18. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nanjary naniry hanana mpanjaka? Alaim-panahy toy izany koa isika; amin'ny fomba ahoana?
Zava-dehibe ny manamarika fa fandavana an'Andriamanitra tsy hanjaka amin'ny vahoakany ny fangatahan'izy ireo mpanjaka. Hatramin'izay dia natao hanatona mivantana ny Mpahary izy ireo, amin'ny alalan'ireo fanompoam- fan pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny maro hafa. Ny fangatahany mpanjaka dia hahatonga fahoriana aminy tahaka izay manjo ireo firenena mpanompo sampy, toy ny fanerena hiantafika rehefa misy ady ataon'ny mpanjaka, ny fangiazana, ny hetra, sy ny fijaliana hafa koa. Ho hitany fa ny olombelona mpanapaka dia mirona kokoa ho amin'ny fikatsahana ny tombontsoan'ny tenany fa tsy mitondra amim-pahatsaram-panahy tahaka an'Andriamanitra.
Ankoatra izany, tsy ho azo ovana ilay lamina vaovao: homena ny Isiraely izay nangatahiny, ary rehefa tsapany any aoriana fa fitotonganana no vokatr'izany, dia tsy hisy azo atao. "Ary hitaraina amin'izany andro izany hianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany." - 1 Sam. 8:18.
Vakio ny Deo. 17:14-20. Mariho fa tsy nilaza Andriamanitra hoe: "Hanome mpanjaka azy ireo Aho" fa ny vahoaka kosa no nanapa-kevitra fa te hanana mpanjaka. Nanome fepetra kosa Andriamanitra ho fiarovana azy ireo amin'ny faharatsian'ny fitondram-panjakan'olombelona - - na dia matetika aza no natao tsinontsinona izany fepetra izany, araka ny hita eo amin'ny tantaran'ny firenena sy ny mpanjakany.
Ny fandinihana ny tantaran'ny Isiraely dia ampy ahitana fa niharatsy tokoa ny toe-javatra teo ambanin'ny fitondran'ireo mpanjaka ireo. Marina fa nisy mpanjaka tsara kokoa noho ny sasany, kanefa na ny "tsara" aza dia nanao fahadisoana maro (eritrereto ny amin'i Davida sy i Batseba). Toe-javatra maro no ahitana fa nifandimby nanjaka teo amin'ny firenena ireo mpanjaka "nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah" (jereo ny 1 Mpanj. 11:6; 1 Mpanj. 15:26; 1 Mpanj. 16:30; 2 Mpanj. 3:2, sns.)
Tamin'izany andro izany, na mandraka ankehitriny aza, dia misy teboka iray itovian'ny fitondram-panjakan'olombelona rehetra: olombelona mpanota no mitondra vahoaka mpanota. Mety hisy zavatra manjary ve amin'izany?
"Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia." - Asa. 17:11.
Mofon’aina:
"Diniho ny Soratra Masina" hoy i Kristy, "satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." — Jao. 5:39. Izay mitrandraka lalina no mahita ireo haren-tsarobidin'ny fahamarinana. Eo anilan'ny mpikatsaka amin 'ny fo marina ny Fanahy Masina. Manazava ny Teny ny taratra avy Aminy, mamantsika sy manome lanja vaovao ny fahamarinana ao an-tsaina. Fiadanana sy fifaliana tsy mbola fantany hatrizay no tsapan'ilay mpandinika. Misy fahazavana vaovao avy any an-danitra mitsilo ny teny, ka mamirapiratra toa volamena ny litera tsirairay. Andriamanitra mihitsy no miteny amin'ny saina sy ny fo, ka manjary fanahy sy fiainana ilay Teny.
Manandratra ny fony any amin' Andriamanitra ireo mpandinika marina ny Teny, mitalaho ny fanam-pian'ny Fanahy Masina. Ary tsy ela dia hitany fa asandratra ambonin'ireo fanambarana rehetra tsy marim-pototra avy amin'ireo mitonon-tena ho mpampianatra izy, izay tsy tohanan'ny Tenin'Andriamanitra velona ny tsangan-kevitra mangozohozo arosony. Tsy nianarany mantsy ilay lesona lehibe fototra hoe: Ao amin'ny Tenin'ny Tompo no misy ny Fanahin'Andriamanitra sy ny fiainany. Raha noraisiny tao am-pony ny singa mandrakizay voarakitra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, dia ho hitany fa zava-poana sy tsy misy heviny ny ezaka rehetra ataony hahitana zava-baovao mampientanentana. Mila mianatra ireo fitsipika fototry ny Tenin'Andriamanitra izy ireo, dia ho afaka hizara ny tenin'ny fiainana ho an'ny hafa, izay tsy ela dia hahay hanavaka ny vary amin'ny tsiparifary satria namela teny fikasana ho an'ny mpianany i Jesôsy (...).
"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo." — Jao. 14:27. Zara raha takatry ny olona, ny ankohonana, na ny mambran'ny fiangonana ireo teny ireo, kanefa ho azy ireo sy amin'ny alalan' izy ireo, amin'ny maha-ankohonan 'Andriamanitra azy, no tian'Andriamanitra anehoana ny fahamarinana madio tsy misy tsiny, izay raha raisina araka ny tokony ho izy dia hitondra fiainana mandrakizay ho azy. — MS 21, tt. 131,132.