I Jesôsy mihitsy no nilaza fa ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no didy lehibe indrindra. Mitaky fahafoizan-tena izay maneho amin'ny fomba azo tsapain-tanana ny fitiavana ny hafa ny fampiharana ireo fitsipika ireo; izany tokoa no atao hoe manaraka ny dian'i Jesôsy .
Raha toa ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa no didy roa lehibe indrindra, inona àry ny fahotana roa lehibe indrindra?
Vakio ny Sal. 135:13-19. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny fahotana asongadina manerana ny Soratra Masina?
Manohy manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fitiavana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra ny Testamenta Taloha (jereo ny Deo. 6:5). Mifandray akaiky amin'ny fahotana lehiben'ny fanompoan-tsampy izany, izay mifanohitra amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.
Vakio ny Zak. 7:9-12. Araka izay ambaran'ny mpaminany Zakaria amin'ireo andalan-teny ireo, inona no melohin'Andriamanitra? Ahoana no ifandraisan'izany sy ny fahotan'ny fanompoan-tsampy amin'ireo didy roa lehibe indrindra?
Tsy ny fanompoan-tsampy ihany no manetsika ny fahatezeran'Andriamanitra noho ny fitiavany, fa ny fampahoriana ny olony koa, na mahakasika olona iray izany na antokon'olona. Mampahatezitra an'Andriamanitra ny tsy rariny satria Izy dia fitiavana.
Ny fandikana ireo didy roa lehibe indrindra ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no fahotana roa lehibe asongadina manerana ny Testamenta Taloha. Ny tsy fananana fitiavana, araka izany, no fahotana roa lehibe indrindra. Raha fintinina, tsy hain'ny olona ny hitandrina ny didy raha toa izy tsy tia an'Andriamanitra sy mankahala ny namany.
Izao tokoa no ambaran'ny 1 Jao. 4:20,21: "Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa."
Ahoana no anazavanao ny antony tsy ahafahan'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana misaraka? Ahoana no ahatakaranao izany fifandraisana tsy azo tapahina izany?