Ao amin'ilay fanoharana momba ny tompon'ny tanimboaloboka, ao amin'ny Mat. 21, dia teo amin'izay nijanonan'ny Isa. 5 no notohizan'i Jesősy, ka nanome fanampim-panazavana momba ny toetra sy ny fihetsiky ny tompon'ny tanimboaloboka Izy.
Vakio ny Mat. 21:33-39 eo am-pisaintsainanao llay fanontaniana ao amin'ny Isa. 5:4. Inona no mbola azony natao ka tsy efa nataony?
Naverin'i Kristy tanteraka izay voalaza ao amin'ilay hiran'i Isaia momba ny tanim-boaloboka sy ny tompony, ao amin'ny ampahany voalohany amin'ny fanoharana nataony. Avy eo dia nampiany hoe: "nahofany tamin'olona mpiasa tany ilay tanim-boaloboka "ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy"-Mat. 21:33. Rehefa naniraka ny mpanompony (ny mpaminany) indroa anefa ny tompon'ny tanim-boaloboka mba hanangona ny vokatra, dia nikapoka sady namono izany mpanompo izany ireto nanofa ny tanimboaloboka ireto (Mat. 21:34-36). Ny zanany (i Jesôsy) no nirahin'ilay tompon'ny tanimboaloboka nony farany, ka hoy izy: "Hanaja ny zanako izy."- Mat. 21:37. Kanjo novonoiny koa ilay zanany ka hoy ireo: "Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany'. Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka, dia namono azy. Mat. 21:38,39.
Inona no mbola azony natao ankoatra izany? Fa lehibe tokoa ny fitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana malalany (Jao. 3:16). Raha naneho ny heriny sy ny fahefany aloha loatra Andriamanitra tao anatin'ity karazana ady ity, dia tsy ho voavaha ny olana ny amin'ilay fifanandrinana lehibe. Nilaina aloha ny fanehoana ampahibemaso ny toetran'Andriamanitra. Tao amin'ny asan'i Kristy no tena tanteraka izany fanehoana izany (Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8). Inona indray no mbola tadiavintsika? Andriamanitra (tao amin'i Kristy) no efa nahafoy ny ainy ho antsika mba hahazoany manamarina antsika, kanefa sady tsy nampiova ny fahamarinany na ny fitiavany izany!
Voaporofo teo amin'ny hazo fijaliana fa efa nanao izay rehetra azony natao Andriamanitra mba handresena sy hamongorana ny ratsy, sady tsy nosakanany tsy ho afaka handrobona koa ny fitiavana marina. Raha nisy fomba tsara kokoa hafa hitan'Andriamanitra, tsy ho nofidiny ve izany? Raha mijaly ny olona ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe, dia Andriamanitra no mijaly indrindra. Eny tokoa, hitantsika eo amin'ny hazo fijaliana ny fahoriana sy ny fijaliana niaretan'Andriamanitra vokatry ny fahotana. Masina loatra ilay safidy malalaka raiki-tampisaka amin'ny fitiavana, hany ka vonona ny hiaritra izany ho antsika i Kristy.
Vakio ny Isa. 53:4. Ny "aretin"iza sy ny "fahorian""Iza no nentin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana? Inona no ambaran'izany amintsika mikasika izay rehetra efa nataon'Andriamanitra ho antsika, sy ny sandany naloany ho famonjena antsika?