Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 20:1-17; Rôm. 6:1-3; Rôm. 7:7-12; Jer. 31:31-34; Mat. 23:23,24; Jak. 2:1-9.
Tsianjery:
"Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna." - Rôm. 13:8.
Teo am-pandinihana ny momba ny olona iray manana olana ao am-piangonana, dia hoy ny mambran'ny kômity iray tamin'ny pasitora: "Tsy azontsika aorina amin'ny fangorahantsika azy ny fanapahan-kevitsika." Tsy azontsika atao tokoa ve? Nanontany tena ilay pasitora ny amin'izay mety ho fahatakaran'ilay olona ny momba an'Andriamanitra sy ny lalàny. Tsy isalasalana fa tokony ho ivon'ny fifandraisantsika amin'ny hafa ny fangorahana, indrindra amin'ireo nanao fahadisoana. Ao anatin'ny atao hoe fitiavana mihitsy aza ny fangorahana, araka ny voalaza ao amin'ny Rôm. 13:8 hoe: "izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana."
Raha fahatanterahana ny lalàna tokoa ny fitiavana, dia tokony hitandrina isika tsy hihevitra ny lalána ho azo sarahina amin'ny fitiavana, na ny fitiavana ho azo sarahina amin'ny lalana. Miara-dalana ny fitiavana sy ny lalàna ao amin'ny Soratra Masina. Ilay mpanao ny lalàna mihitsy no fitiavana, koa ny lalàn’Andriamanitra izany dia lalàm-pitiavana. Fanehoana ny toetran'Andriamanitra izany, hoy i Ellen G. White (HF, t. 265).
Tsy fitambarana fitsipika tsy misy heviny ny lalàn'Andriamanitra fa didy sy toromarika natao hahasoa antsika. Anisan'ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany mihitsy ny lalány.
*Famerenana ny lesona ny sabata 29 Martsa.