Ao amin'ny fitantaran'i Lioka, taoriana indrindran'ny fanambaran'i Jesõsy ireo didy roa lehibe momba ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana, dia nisy mpahay lalana "ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesôsy hoe: Iza ary no namako?" Lio. 10:29. Ho setrin'izany, dia nanao fanoharana tsy mahazatra, nefa manaitra, mikasika ilay Samaritana tsara fanahy i Jesôsy.
Vakio ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ao amin'ny Lio. 10:25-37. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo izay mifandraika amin'ny antso ataon'ny mpaminany ny mba hanehoana famindrampo sy rariny ary koa momba ireo karazana tsy rariny ataon'ny olona samy hafa amin'ny "namany" teo amin'ny tantara manontolo?
Tsy hoe niresaka momba ny rariny fotsiny i Jesôsy fa tonga mba hampanjaka izany Izy. Tamin'izany andro izany sy amin'ny hoavy, dia Izy no fahatanterahan'ny antsoantson'ny mpaminany sy ny faniriana mahakasika ny fahamarinana (jereo ny Lio. 4:16-21 sy ny Isa. 61:1,2). Izy no irin'ny firenena rehetra, indrindra ireo izay mahatsapa fa mila fanafahana.
Mifanohitra tanteraka amin'ilay fahavalo izay nandroba fahefana sy nitady handrombaka ny seza fiandrianan'Andriamanitra i Jesôsy satria nampietry ny Tenany Izy ka nanaiky hitovy amin'ireo izay eo ambany vahohon'ny fahotana sy ny tsy rariny ary ny fampahoriana (nefa Izy tsy mba nanota); nandresy ny fahavalo Izy tamin'ny nanolorany ny Ainy tamim-pitiavana mba hampiorenana ny rariny tahaka ny Anankiray izay marina sy Mpanamarina ny olona rehetra mino. Ahoana no ilazantsika fa mihevitra momba ny lalana izay nanoloran'i Kristy ny Ainy isika raha toa tsy miraika manoloana izay antsoin'i Kristy hoe "izay lehibe amin'ny lalana"?
Hoy ny Sal. 9:8,9: "Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy." Manampy izany koa ny Sal. 146:7-9 ka milaza fa "manome rariny ho an'ny ampahorina" Andriamanitra ary "manome hanina ho an'ny noana. Jehôvah mamaha ny mpifatotra; Jehôvah mampahiratra ny jamba; Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehôvah tia ny marina; Jehôvah miaro ny vahiny ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa."
Manao ahoana ny fanambarana mazava ataon'ny Tenin'Andriamanitra momba ny tokony hiezahantsika hiasa amin'ireo manodidina antsika izay mijaly sy mila fanampiana?
Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny asany mahakasika ny fanatrarana ireo izay mila fanampiana? Na dia tsy mahay manao fahagagana tahaka izay nataony aza isika, ahoana no hahatonga ny fanampiantsika ho "fahagagana" ho an'ny olona maro azom-pahoriana?