Vakio ny TFC, b. 9, tt. 285-288: "The Reward of Earnest Effort".
"Any amin'ilay tontolo ho avy dia hazava tsara amintsika izay rehetra nanahiran-tsaina antsika na saro-takarina teo amin'ny fitondran'Andriamanitra. Hovelarina eo anoloantsika ny tsiambaratelon'ny fahasoavana. Raha tsy nahita afa-tsy savorovoro sy fahadisoam-panantenana ny saintsika voafetra teo aloha, dia hahita firindrana mahafinaritra kosa. Ho fantatsika fa ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay no nandamina ireny toe-javatra izay toa fitsapana mahamay ireny. Rehefa tsapantsika ny fikarakarana mamy ataon'llay mahatonga ny zavatra rehetra hiara-miasa hahasoa antsika dia hiravoravo amin'ny fifaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra isika." TFC, b. 9, t. 286.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Efa nahavery hevitra anao ve ny fiezahana hahatakatra ny fomba fitantanan'Andriamanitra? Nahoana no mampionona anao ny fahafantarana fa ireny rehetra ireny dia hohazavaina amin'ny farany?
2. Saintsaino izay nafoin'i Kristy mba hahatongavany ho olombelona sy ho faty ho an'izao tontolo izao. Saintsaino lalina kokoa izay ambaran'izany amintsika momba ny fitiavan'Andriamanitra. Azo itokiana ve Andriamanitra? Inona no mbola azony natao ka tsy efa nataony?
3. Inona no maha-zava-dehibe ny "anaran'Andriamanitra"? Inona ny akon'izany amintsika izay mitonona ho Kristianina? Amin'ny fomba ahoana no analan'ny Kristianina baraka ny anaran'i Kristy indraindray, ary inona no azontsika atao eo amin'ny fiarahamonina misy antsika mba hampisehoana amin'ny olona ny atao hoe manara-dia an'i Kristy eo amin'ny fiainana andavanandro?
4. Raha ny marina, na ny tsara indrindra amin'ny "vahaolana" hitantsika ankehitriny manoloana ny faharatsiana aza dia tsy mbola mahafa-po. Inona no azontsika atao eo amin'ny fiainana andavanandro mba hanakaikezantsika ireo izay mijaly sy hanamaivanantsika ny fahoriana eto amin'izao tontolo izao, eo am-piandrasana ilay vahaolana farany mamarana hatreo ny olan'ny faharatsiana, izay Andriamanitra irery ihany no mahay manome izany?