"Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy. (...) Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany." Jao. 3:18, 20, 21; ampitahao amin'ny Jao. 1:10.
Nahoana ny olona no tsaraina? Jao. 3:18,36; Jao. 5:24,38; Jao. 8:24; Jao. 12:47.
Vakio ny Jao. 6:61-68. Inona no nolazain'i Petera rehefa nanontany ireo mpianany | Jesõsy raha te handao Azy koa izy Ireo. Inona no hevitry ny teny nambaran'l Petera?
Ambaran'ilay apôstôly mazava ao amin'ny Jao. 1:1 fa Andriamanitra i Jesôsy, Zanak Andriamanitra Izy. Araka izany, ny fiainana ao amin'ny hoe "Izy no nisiam- piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona" Jao. 14, dia manondro ny fiainan Andriamanitra amin'ny maha-mandrakizay Azy. Noho ny fananany ny fiainana, dia azony atao ny manolotra ny Ainy sy mandray izany indray (Jao. 10:17). Ary noho ny fananany fiainana ao Aminy, dia azony atao ny manome fiainana ho an'izay tiany (Jao. 5:21; ampitahao amin'ny Jao. 14:19).
Hitantsika ao amin'ny lesontsika hatreto fa asehon'i Jaona ho Ilay Mesia nampanantenaina i Jesõsy, Ilay nantenain'ny vahoaka jiosy sy nandrasany hatry ny ela.
Nanjary fahavalony lehibe indrindra anefa ny ankamaroan'ireo mpitondra fivavahana, dia ireo mpitarika ny vahoaka ara-panahy. Nahoana?
Vakio ny Jao. 8:12-30. Inona ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin'l Jesôsy sy Ireo mpitondra fivavahana eto? Inona avy ireo andinin-tSoratra Masina manazava tsara indrindra ny antony mahatonga ny maro handà Azy?
Hoy i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana: "Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy" - Jao. 5:39. Fanambarana sahy tokoa izany, izay nilazany ny Tenany!