Tsara mandrakariva ny manantitrantitra ny fifandraisan'ny fitiavana sy ny lalána. Voalazan'ny Soratra Masina tokoa fa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana.
Ampianarin'i Paoly ao amin'ny Röm. 13:8-10 fa "izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana" (and. 8). Rehefa avy nitanisa ny ankamaroan ireo didy enina farany ao amin'ny Didy folo i Paoly dia nanambara fa ireny didy rehetra ireny dia "efa ao anatin'izao teny izao hoe: 'Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" and. 9. Lazain'i Paoly mazava fa "ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana and. 10. Ary hazavainy indray ao amin'ny Gal. 5:14 fa "tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalåna rehetra, dia izao: 'Tiava ny namanao tahaka ny tenanao'." Kanefa ilay karazana fitiavana manao ahoana no mahatanteraka ny lalana?
Vakio ny Mat. 23:23,24, Inona no ambara amin'ny hoe: "izay lehibe amin'ny lalàna"? Vakio ny Deo. 5:12-15 sy ny Isa. 58:13,14. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny fifandraisana misy eo amin'ny lalana (Indrindra ny didy momba ny Sabata) sy ny lanjan'ny rariny sy ny fanafahana eo imason'Andriamanitra?
"Ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana" no lazain'i Jesōsy ho "izay lehibe amin'ny lalana". Raha ny didy momba ny Sabata manokana dia hitantsika ao amin'ny Soratra Masina fa mifandray tanteraka amin'ny fanafahana sy ny rariny izany.
Ao amin'ny Deo. 5, ny didy momba ny Sabata dia mifototra amin'ny fanafahan Andriamanitra ny Isiraely tamin'ny fanandevozana. Izany hoe, ny Sabata dia tsy tsangambaton'ny Famoronana fotsiny fa fahatsiarovana ny fanafahana tamin'ny fanandevozana sy ny fampahoriana koa. Ary ao anatin'ny tontolon-kevitry ny tsy fanaovana izay tian'ny tena ka manao ny Sabata ho fahafinaretana sy miravoravo amin'i Jehovah (Isa. 58:13,14), dia ny asam-pitiavana sy ny rariny ho an'ny hafa no asongadin'izany- ny fanaovan-tsoa, ny fanomezana sakafo ny noana, ny fampiantranoana ny ory manjenjena (jereo ny Isa. 58:3-10).
Eo anatrehan'ireo fampianarana rehetra ireo (sy ny maro hafa), izay maniry ny hanatanteraka ny lalána amin'ny alalan'ny fitiavana dia tokony hitandrina tsy ny amin'ny ota atao ihany fa ny amin'ny tsara tsy atao koa. Satria ny fitiavana ho fahatanterahana ny lalåna dia tsy fitandremana ny lalana amin'ny heviny hoe miezaka tsy hanota fotsiny ihany, fa tafiditra ao koa ny fanaovan-tsoa amim-pahavitrihana dia asam-pitiavana izay mampandroso amim-pahatokiana ny rariny sy ny famindram-po. Mihoatra lavitra noho ny tsy fandikana izay voasoratra ao amin'ny lalàna ny atao hoe mahatoky amin'Andriamanitra.