Voaporofo amin'ny farany fa marina amin'ny lafiny rehetra Andriamanitra. Miharihary tsy misy aloky ny fisalasalana ny fahamarinana sy ny fitiavan Andriamanitra tonga lafatra noho ny asan'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ao amin'ny drafi-panavotana (jereo ny Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8).
Vakio ny Rôm. 3:1-4 sy ny Isa. 5:3,4. Inona no ambaran'lzany momba ny fahamarinan' Andriamanitra ao anatin'llay fifanandrinana lehibe?
Azo lazaina hoe voary tsotra no asain'Andriamanitra mitsara ny toetrany ao amin'ny Rôm. 3 sy ny Isa. 5, na dia tsy manana zo na fahefana hanao izany aza isika. Amin'ny farany, rehefa hosokafana ny "boky" rehetra, dia ho hitantsika porofo fa tena marina sy mahitsy tokoa Andriamanitra. Haneho ny Tenany ho marina eo anatrehan'ny voary manan-tsaina rehetra Andriamanitra.
Vakio ny Apôk . 15:3 sy ny Apôk . 19:1-6. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny fanamarinana an'Andriamanitra any m-parany?
Hita manerana ny Soratra Masina fa manan-danja amin'Andriamanitra ny anarany. Nahoana? Tsy afaka hanana fifandraisam-pitiavana lalina amin'ny olona iray isika raha halantsika ny toetrany na tsy azontsika itokiana izy. Raha misy olona milaza lainga mahatsiravina amin'ny vadinao na ny fofom-badinao momba ny toetranao, tsy hanao izay rehetra azonao atao ve ianao hanoherana izany lainga izany? Raha hinoany mantsy izany teny izany dia ho rava tanteraka ny fifankatiavanareo.
Hohamarinina Andriamanitra amin'ny farany, noho ny hazo fijaliana sy ny drafi-panavotana iray manontolo. Hamarinina eo anatrehan'izao tontolo rehetra izao manara-maso Ázy Izy ao anatin'ilay fitsarana famotopotorana mialoha ny fiavian'i Jesôsy fanindroany.
Avy eo, mandritra ny fitsarana aorian'ny fiavian'i Kristy, izay hitsaran'ny voavotra "anjely aza (1 Kôr. 6:2,3), dia hamarinina Andriamanitra, satria nomena fahafahana hijery ao amin'ny boky firaketana ny voavotra mba hahitany ny anton'ny nanaovan'Andriamanitra ny zavatra rehetra araka ny nataony. Ho hitan'izy ireo fa tamim-pitiavana sy fahamarinana tonga lafatra mandrakariva no nanaovan'Andriamanitra ny fitsarany rehetra. Iza amintsika no tsy manana fanontaniana maro be mila valiny? Mialoha ny faran'ny zavatra rehetra, dia ho voavaly ireo fanontaniana ireo (jereo ny 1 Kôr. 4:5).
Amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra amin'ny farany, ary heken'ny lela rehetra fa i Jesôsy Kristy no Tompo (Fil. 2:10,11). Anisan'ny fanaporofoana ny fahamarinan'ny toetran'Andriamanitra avokoa izany rehetra izany.