"Izao no lazain 'i Jehôvah: atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehôvah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehôvah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray." - Jer. 31:16,17.
Mofon’aina:
Avy amin'ny rahona sy ny voninahitra lehibe Kristy. Anjely mamirapiratra marobe no hanotrona Azy. Ho avy hanangana ny maty Izy, hanova ny marina velona avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra. Ho avy Izy hanome voninahitra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, ary ho avy Izy handray azy ho any Aminy. Tsy nanadino azy Izy na nanadino ny teny fikasany. Hisy indray ny fampitohizana ny rohim-pianakaviana.
Ny andron'i Jehôvah no haneho ny fankasitrahana tokony hataon' izao tontolo izao amin'ireo renim-pianakaviana matahotra an'Andriamanitra. (...)
Rehefa hipetraka ny Mpitsara ary hovelarina ny boky (...) dia maro no hanala ny satroboninahiny eo imason' izao rehetra izao ary hanondro ny reniny sady hilaza hoe: "Ny reniko no naha-toy izao ahy noho ny fahasoavan' Andriamanitra. Notahina ny fanabeazany sy ny vavaka nataony ka nahazoako ny fiainana mandrakizay."
Tsy hay lazaina ny hafalian'ireo ray aman-dreny raha mijery ny zanany tolorana satroboninahitra sy akanjo lava ary lokanga. Tapitra ny androm-panantenana sy ny andron'ny tahotra. Mety tsy azo nantenaina no fahitana ireo voa nafafy tamin-dranomaso sy tamim-bavaka, kanefa tamim-pifaliana nony farany no nijinjana ny vokany. Voavotra ny zanany.
Endrey! Fanavotana mahagaga! Efa natao ambentin-dresaka hatry ny ela, nantenaina, nobanjinina mialoha tamin-kafanampo dodona, nefa tsy mbola nazava tamin'ny fomba feno mihitsy.
Sakaiza niara-dia isan'andro sy nifankazatra taminy i Kristy, ho an' ireo mpanaraka Azy mahatoky. Efa niaina tamin'ny firaisana ety sy mitohy tamin'Andriamanitra izy ireo. Efa niposaka taminy ny voninahitry ny Tompo. Efa nitaratra teo aminy ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesôsy Kristy. Izao dia miravoravo eo amin'ny tara-pahazavana feno famirapiratana ny amin'ny fahalehibeazan'ny lanitra izy. Voaomana ho amin'ny firaisan'ny mponin'ny lanitra izy, satria efa nanana ny lanitra tao am-pony. — Ma, t. 308