Hitantsika ao amin'ny toko fahafolo ao amin'ny Genesisy ny nipoiran'ireo firenena samihafa. Ny teny adika hoe "firenena" dia goyim, izay mety hidika koa hoe Jentilisa. Voalaza ao fa nizarazara ny taranak'olombelona, sarny nanana ny taniny, ny fiteniny, ny mpianakaviny, ary ny fireneny avy (Gen. 10:5; jereo koa ny Apôk. 14:6).
Saika avy hatrany taorian'izany no niantsoan'Andriamanitra an'i Abrahama hiala tamin'ny iray amin'ireo firenena ireo, mba hiavahany amin'izy ireo sy tsy hanehoany izay asehony.
Vakio ny Gen. 12:1-9. Nahoana Andriamanitra no niantso an'l Abrama (izay lasa Abrahama taty aoriana) hiala amin'ny taniny?
Ny hanangana firenena iray izay hiavaka amin'ny fanjakan'olombelona no tanjon'Andriamanitra tamin'ny nampiasany an'i Abrahama. Tsy tokony hanana mpanjaka hafa ankoatra an'Andriamanitra izy ireo. Ireo vahoaka ireo dia natao hampiseho izay hitranga raha miverina amin'ny Mpahary azy ny taranak'olombelona. Natsangana ny Isiraely mba ho fitahiana ho an'ny "firenena rehetra ambonin'ny tany" - Gen. 12:3. Nampitosaka fahazavana sy tombontsoa maro ho azy ireo Andriamanitra, izay azo inoana fa tsy fahita teto an-tany na talohan'ny Safodrano aza.
Vakio ny Deo. 4:5-9. Inona no nolazain'ny Tompo tamin'ny taranak'i Abrahama, dia ilay firenena izay nanjary fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama?
Tsy olon-tokana nijoro ho vavolombelona teo anivon'ny fiarahamonina iray tsy akory ny taranak'i Abrahama eto, fa firenena iray manontolo izay miray hina sy miara-miasa amin'Andriamanitra, ka afaka naneho ny voninahitry ny toetrany. Mariho koa fa tsy ny fananany ireo "didy sy fitsipika" no tena nahatonga azy ireo ho vahoaka miavaka fa ny fitandremany tsara izany, izay hahatonga ny firenen-kafa hanao hoe: "Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io." - Deo. 4:6. Na tsara sy mahatalanjona toy inona aza ny fahamarinana nomena ny vahoaka, ny tsy fitandremany izany dia hahatonga ozona fa tsy fitahiana, ary fahafatesana fa tsy fiainana.
Mihatra amintsika Advantista ankehitriny koa io fitsipika lo, dia ny hoe: sady mila mahafantatra ny fahamarinana no mila mankatò izany koa; amin'ny fomba ahoana?