Ny firesahan'i Jaona momba ny Teny (logos) izay "tao amin'Andriamanitra", izany hoe, tao amin'Andriamanitra Ray, no manomboka ny filazantsarany (Jao. 1:1). Rehefa tonga nofo ny Teny dia ny Fanahy no vavolombelona nanambara an'i Jesôsy tamin'ny nidinany sy nitoerany teo Aminy tamin'ny batisany (Jao. 1:32-34). Kanefa ny Ray koa dia nanao fanambarana momba an'i Jesôsy nandritra ny asany teto an-tany.
Vakio ny Jao. 5:36-38. Inona no lazain’i Jesôsy eto momba ny Ray?
"Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesôsy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro, izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina."- Jao. 7:37,38.
Imbetsaka ao amin'ny filazantsaran'i Jaona no ahitana an'i Jesôsy manao fanambarana mivantana momba ny Tenany, mikasika ny hoe: Iza moa Izy? Ary hanao inona no nahatongavany.
Manoritsoritra ny namahanan'i Jesôsy ireo olona tsy omby dimy arivo ao amin'ny Jao. 6 ny lesona 2, fa tsy voalaza ao ny ampahany farany amin'io tantara io, izay hodinihintsika eto.
Vakio ny Jao. 6:51-71, Inona no nolazain'i Jesôsy, Izay nanahiran- tsaina ny olona ny nandray azy?
Voazava ao amin'ny lesona 2 fa nahataona ireo mpianatra voalohany — i Andrea sy i Jaona, i Petera, i Filipo sy i Natanaela - ho eo amin'i Jesôsy ny fanambarana nataon'i Jaona mpanao batisa. Mety hihevitra isika fa efa nanao ny fanambarany i Jaona mpanao batisa ka hatreo ihany ny anjarany ao amin'ny tantara. Tsy izany anefa fa mbola voaresaka miverimberina ny momba azy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona.
Vakio ny Jao. 3:25-36. Toy ny ahoana no ampitahan'i Jaona mpanao batisa ny tenany amin'i Jesôsy ?
"Mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika." - Mat. 8:17.
Mofon’aina: Tonga tety an-tany i Jesôsy Kristy Tompontsika, tahaka ny mpanompo tsy mety sasatra teo amin'izay nilain'ny olona. "Naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika" Izy mba hahazoany manao fanompoana eo amin'izay rehetra manahirana ny olombelona. (...) Nirahina Izy mba hamerina ny olona ho eo amin'ny laoniny tanteraka; ary tonga mba hanome azy ireo fahasalamana sy fiadanana ary fahatanterahan'ny toetra amam-panahy.