Vakio ny Isa. 44:24-45:13.
"Tsikelikely, miafina ary mangina aloha vao mivelatra kokoa arakaraka ny fananany hery sy mpanohana no anohizan'ity 'zava-miafin'ny tsi-fankatoavan-dalana' ity ny asa fampiviliana ataony. Mila tsy ho tsapa akory ny nisokoan'ny fomba amam-panao jentilisa tao amin'ny fiangonana kristiana. Ny fironana hihavana sy hifanatona amin'izao tontolo izao dia nandamoka nandritra ny fotoana fohy, noho ny fivaivain'ny fanenjehana niaretan'ny fiangonana avy tamin'ny fanompoam-tsampy. Nefa raha vao niato ny fanenjehana, ary nahazo lalana hiditra tany an-drova sy tany amin'ny lapan'ny mpanjaka ny fivavahana kristiana, dia notakalozan'ny fiangonana ny rendrarendra sy ny avonavon'ireo mpisorona sy mpanompo sampy ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan'i Kristy sy ireo apostoly ary koa ny fitakian'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ireo fampianarana sy lovan-tsofin'olombelona. Ny sarintsarim-piovam-pon'i Constantin, teo amin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra, dia niteraka fifaliam-be, ary niditra tao amin'ny fiangonana izao tontolo izao nitafy ny endriky ny fahamarinana. Hatramin'izay dia mandroso haingana ny asan'ny fahalotoana. Nanjary mpandresy ny fanompoan-tsampy izay toy ny resy. Nifehy ny fiangonana ny toe-tsainy. Ny foto-keviny, ny fombam-pivavahany sy ny finoanoam-poany dia tafaray tamin'ny finoana sy ny fanompoam-pivavahan'ireo izay milaza ho mpanaraka an'i Kristy." - HM, tt, 49,50.
Araka ny fanontaniana ao amin'ny faran'ny lesona Alarobia, tsy tandindomin-doza avokoa ve isika hanakalo "ny fahatsorana sy ny fanetren-tenan'i Kristy sy ireo apostoly amin'ny voninahitra, ny fahefana sy ny dera ary ny fakam-panahy arentirentin'izao tontolo izao? Raha mihevi-tena ho tsy tandindomin-doza isika, dia mamitaka ny tenantsika.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Nataon'Andriamanitra sesitany tany Babilona ny vahoakany, ary fotoana nampahory indrindra izany. Nantsoina handao ny tany Kaldea i Abrahama mba hanangana ny vahoakan'ny fanekena, izay ho fahazavana ho an'ny tany manontolo, kanjo lasan-ko babo izao izy ireo. Nasehon'Andriamanitra ny Isiraely nandritra ny fahababoany izay ho nitranga raha nahatoky izy ireo. Nanatona an'i Kristy i Nebokadnezara, izay mpanapaka teo anivon'ny rafitra nifanohitra tanteraka tamin'ny an'Andriamanitra (Dan. 4). Nanangana mpanjaka persianina iray Andriamanitra tamin'ny fiafaran'ny fahababoan'izy ireo, nataony tandindon'i Kristy, nanafaka ny vahoakany tamin'i Babilona sy namerina azy ireo ho any amin'ny Tany nampanantenaina. Tsy Isiraelita i Kyrosy, kanefa nofidin'Andriamanitra haneho amin'izao tontolo izao ny drafi-panavotan'Andriamanitra izy rehefa nampody ny vahoakan'ny fanekena tao Jerosalema. Nampiasa olona ivelan'ny İsiraely Andriamanitra hanatrarana ny tanjony; inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany momba ny fihevitr'Andriamanitra ny taranak'olombelona?
2. Mety tsy ho ao Babilona isika, kanefa Babilona toy ny ahoana no mety ho ao anatintsika? Ahoana no amantarantsika izany olana izany, ary avy eo, ahoana no ahafahantsika miova?