Hodinihana mandritry ny herinandro: Gen. 2:23-25; Efes. 5:29-32; Ezek. 16:4-14; Apôk. 18:1-4; Gen. 24:1-4; Apôk . 19:1-9.
Tsianjery: "Ary hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanit 'Andriamanitra." - Apok. 19:9.
Ahitana tantaram-pitiavana marobe ao amin'ny Baiboly, izay maneho A amin'ny amin'ny fomba miezinezina ireo lafiny maro momba ny famonjena sy ny fitiavan'An 'Andriamanitra ny olony. Hita fa ny fanambadiana, izay fifandraisana ety indrindra, dia sekoly hianarantsika lesona sarobidy momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika sy ny fifandraisantsika Aminy ary ny fetra nihoarany mba hanavotana antsika, raha manaiky hiaina izany fanandramana izany araka ny fikasan'Andriamanitra isika.
Mandiso ny fahafahantsika mandray tsara ny lesona ezahin'Andriamanitra ampianarina amin'ny alalan'ny fanekem-panambadiana ny fomba fijery môderina mikasika ny fitiavana sy ny fanambadiana. Na dia nitondra fahasimbana betsaka teo amin'ny fanambadiana (sy ny zavatra hafa rehetra) aza ny fahotan'ny olombelona, dia mbola fomba iray manan-danja azo anehoana ny fahamarinana ihany ny fanambadiana, eny fa na ny fahamarinana ara-paminaniana aza. Ankoatra ny tokony hitondran'ny fanambadiana fahasambarana ho antsika, dia tokony ho sekoly ianarantsika lesona sarobidy momba ny tenantsika sy ny fifandraisantsika amin'Andriamanítra koa izany.
Hodinihintsika mandritra ity herinandro ity ireo fomba samy hafa hoentin'ny Tenin'Andriamanitra miresaka momba ny fanambadiana, na ny fanambadiana sambatra izany na izay mikorontana. Amin'izany no hisintonantsika lesona avy amin'ireo ohatra voatanisa, mba hahatakarantsika bebe kokoa ny fomba ifandraisan'Andriamanitra amin'ny vahoakany na dia tsy tanteraka aza izy ireo. Hianarantsika amin'izany ireo fahamarinana sasany momba ny fitiavan'Andriamanitra izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ireo toe-javatra miseho amin'ny andro farany.