Minoa ny Mpaminany: PM 1
Nohariana ho fonenana tsara indrindra ho an'ny taranak'olombelona ny saha Edena. Rehefa tafiditra ny fahotana dia voatery nesorin'Andriamanitra tamin'ny olombelona ilay saha sy ny hazon'aina, hatreto aloha.
Tsy maintsy niasa mafy ny olombelona teny ivelan'ny saha Edena, mba ho velona. Nihamafy ny fiainana, ny fahoriana sy ny hatsembohan'ny tavantsika no manjary tsy maintsy hahazoantsika hanina (Gen. 3:16-19). Nino sy natoky ireo ray aman-drenintsika voalohany fa hahita vahaolana hahazoana miverina indray ao Edena llay Mpanjaka ara-dalana; ary nitondra fanatitra teo am-bavahadin'ny saha Edena izy ireo, sady nanantena ilay fanavotana natolotr'Andriamanitra an'izao tontolo izao raha vantany vao lavo izy.
"Mbola naharitra nitoetra ela teto an-tany ilay fonena-mamy izay tsy azon'ny olona naleha intsony. (...) Teo am-bavahadin'ilay saha tsy manam-paharoa izay nohidin'ny anjely mpiambina sy nisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra, no nivorian'i Adama sy ny zanany mba hiankohofany teo anatrehan'ny Mpamorona sy hanavaozany indray ny voadim-pankatoavany. Taty aoriana, rehefa nanafotra ny tany ny onjam-paharatsiana ka efa hipaoka handevona ny olona noho ny helony ny Safo-drano, dia nesorin'llay tanana izay efa nametraka azy teto an-tany tsy ho ety intsony ny saha Edena. Fa amin'ny fotoarna izay hamerenana indray ny toe-javatra rehetra ho amin'ny laoniny, amin'ny fotoana izay hisehoan'ny 'lanitra vaovao sy ny tany vaovao' (Apôk. 21:1), eny, amin'izay fotoana izay, dia haverina indray izy, ka ho be voninahitra noho ny tamin'ny fotoana nanolorana azy voalohany." - PM, tt. 39,40.
Ny sasany kosa nitady "vahaolana" avy amin'ny olombelona ihany mba hamahana ilay olana vaovao nipoitra, nipoitra, ary hitantsika fa nanorina tanana-fanjakana izy ireo, niezaka nanamora kokoa ny fiainana, ary angamba nanandrana nanamboatra indray izay very tany Edena.
Vakio ny Gen. 10:1-12. Eto no ampahafantarin'ny Baiboly antsika ireo fahefana põlitika lehibe maromaro, Izay mbola ho hita manerana ny Baiboly, anisan'izany any | Ninive sy | Babilona. Araka ny fantatsika momba ny anjara tanan'ireo tanana ireo aty aorlana, Inona ny hevitra azontsika tsoahina avy amin'ireo andininy ireo?
Misy ireo nanatsoaka hevitra rehefa namaky momba an'i Nimroda fa izy dia olona mahery fo mendri-kaja, tahaka irony mpiady mahery hita ao amin'ny anganon'ny mpanompo sampy irony. Kanefa ny namaritan'ny Baiboly azy ho "olona mahery tambonin'ny tany sy "mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah dia tsy fiderana azy. Nihevi-tena ho lehibe i Nimroda, ary ny fijoroany "teo anatrehan'i Jehovah" dia fijoroana ho fanoherana an'Andriamanitra. Ny fielezan'ny fikomiana amin'Andriamanitra no hitantsika ao amin'ireo lahatsoratra ireo, fikomiana izay hisy hatrany mandra-pahatongan'ny fotoana izay hamongorana azy rehetra mandrakizay.
Nahoana ny fahotana amin'ny fikomiana amin'Andriamanitra no tsy misehoseho kokoa, tsy araka izay iheverantsika azy? Ahoana no hiarovantsika tena tsy hanana lo toetra ratsin'ny olombelona io?