"Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin 'ny andro fanavotana. Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan 'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy." —Efes. 4:30-32.
"Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany; koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray - samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy." - Mat. 25:14,15.