Teboka iray manan-danja tokony hataon'ireo izay mandinika ny faminaniana ny famaritana raha toa horaisina ara-bakiteny na ara-keviny ny fomba fiteny ampiasain'ny Baiboly. Ahoana no hamaritana raha toa mamplasa fanoharana ny mpanoratra, ary ahoana no hahalalana ny zavatra tondroin'izany tandindona izany? Tahaka izao ny fomba manan-danja indrindra hanaovana izany: jerena ny fomba nampiasana ilay tandindona manerana ny Baiboly; mifanohitra amin'ny fijerena ny fampiasana ny tandindona iray amin'izao vanim-potoana ankehitriny izao izany.
Nanampy betsaka ny Advantista ho amin'ny fahatakarana ny faminaniana ara-Baiboly i William Miller. Tsy takany tamin'ny fahafenoany ireo andalan-teny fototra (tahaka ny Dan. 8:14), nefa nanana ny lanjany ny fomba fandalinany satria nanamboatra ny lalana ho amin'ny fahaterahan'ny fihetsehana misy antsika izay sisa amin'ny andro farany.
Vakio ny Mat. 5:18; 2 Tim. 3:15-17 ary ny Lio. 24:27. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fomba tokony handinihantsika ny faminanian'ny Baiboly?
Tsy misy zavatra miteraka fahasorenana tahaka ny filan'ny olona iray miresaka amin'olona, ao amin'ny toeram-pitsaboana na fivarotam-panafody ohatra, raha any amin'ny firenena iray izy nefa zara raha hainy ny fiteny ao. Hainy izay tokony holazainy saingy tsy hitany ny voambolana mahalaza tsara izany.
Midira ao amin'ny trano fivarotam-boky kristianina iray ary jereo ny lohatenin'ireo boky momba ny faminanian'ny Baiboly ao. Tsy ho ela akory dia ho talanjona ianao fa hahita karazana fomba fijery sy fanazavana maro samy hafa, ary mety halaim-panahy ianao hino fa tsy misy olona tena mahatakatra izay voalazan'ny boky tahaka ny Apokalipsy.
Tsianjery: "Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehôvah , Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehôvah ." - Jer. 9:23
Vakio ny IFM, toko 70: "Ny kely indrindra amin'ny rahalahiko".
"Izay manompo ny hafa dia hotompoin'llay Mpiandry ondry Lehibe. Izy mihitsy no hisotro amin'ny rano velona, ka ho afa-po. Tsy haniry fanalana andro manaitaitra izy, na fiovana eo amin'ny fiainany. Ny foto-kevitra hahaliana azy dia ny hoe: 'ahoana ny hamonjena ny fanahy efa ho very?'. Hisy vokany ny fifandraisana eo amin'ny fiarahamonina. Hitarika ny fo hiray ny fitiavana ny Mpanavotra.
Raha ny fitiavana no fahatanterahana ny lalána, dia tsy ho voatandrintsika amin'ny fahafenoany ny lalán Andriamanitra amin'ny fiezahantsika fotsiny tsy hanao ratsy. Ny lalan'ny fitiavana mihitsy (izay hita ao amin'ny Soratra Masina manontolo) no tsy mibaiko antsika tsy hanao ratsy fotsiny. fa mandrisika antsika hanao asa izay maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa koa-tsy amin'ireo mambran'ny fiangonana ihany fa amin'ny olona maneran-tany, izay tena mila ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'ny Kristianina marina.
Tsara mandrakariva ny manantitrantitra ny fifandraisan'ny fitiavana sy ny lalána. Voalazan'ny Soratra Masina tokoa fa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana.