Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 40:7,8; Gen. 22:1-13; Jao. 3:16; Apôk. 5:5-10; 1 Kôr. 15:15-19; Apôk. 12:1-9.
Tsianjery: "Nony ampitso dia nahita an'i Jesôsy avy manatona azy Jaona, ka hoy izy: "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29.
Anisan'ny olana lehibe amin'ny fanazavana môderina ny faminaniana ara-Baiboly, toy ny ao amin'ny Apôkalipsy, ny tsy fahafantarana ny fototra niaingan'ny Apôkalipsy. Ho an'ny mpanoratra, ny mpamaky dia efa mahafantatra ny Testamenta Taloha ary hevitra izay tsy vaovao amin'ny mpamaky no ampiasainy. Na ilaina aza ny mikaroka manerana ny Baiboly mba hahitana lahatsoratra mitovy amin'izay dinihinao ao amin'ny Apôkalipsy, dia misy ny lahatsoratra fototra izay manampy kokoa amin'ny fahatakarana ny boky mihoatra noho ny lahatsoratra hafa. Ny Genesisy indrindra izany, izay manoritsoritra ny fomba nahalatsaka izao tontolo izao tao anatin'ny fahotana sy ny faharavana. Saika hita ao amin'ny toko voalohany amin'ny Baiboly avokoa ireo hevi-dehibe rehetra voalaza ao amin'ny Apôkalipsy, amin'ny endriny maro.
Handinika hevi-dehibe vitsivitsy ao amin'ny votoatin'ny Apôkalipsy isika amin'ity herinandro ity. Maro izy ireo, fa hisafidy vitsivitsy isika mba hanazavana ny tena zava-dehibe, ahafahan'ny mpianatra mahita tsipiriany maro ao amin'ny lahatsoratra ny fahatakarana ny fototra niaingan'ny Apôkalipsy, izay samy afaka mitondra lesona manan-danja momba ny toetry ny olombelona, ny toetran'Andriamanitra, ary ny ady izay miseho eo amin'izao tontolo rehetra izao, ary noho izany, eo amin'ny fiainantsika koa.
*Famerenana ny lesona ny sabata 12 Aprily.