"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'llay mampahery ahy." - Fil. 4:13.
Mofon’aina:
Inona no takin'Andriamanitra? Ny fahatanterahana; tsy ekeny ny latsak'izany. Kanefa raha tiantsika ny ho tanteraka dia tsy azontsika atao ny mitoky amin'ny tenantsika. Aoka ho fantatsika sy takatsika isan'andro izany. Mila mamikitra amim-pinoana amin'ny teny fikasan'Andriamanitra isika. Mila mangataka ny Fanahy Masina isika amim-pahatsapana fa tsy manan-kery. (...) Hikarakara sy hiambina ny fo ny Fanahy Masina, hitondra azy ho eo amin'ny tara-pahazavana mamiratr'Ilay Masoandron'ny fahamarinana. Ho voaro eo ambanin'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana isika.
Hanjary mpitandrina ny didy isika rehefa eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina isan'andro, ary afaka maneho amin'izao tontolo izao fa misy valisoa ny fitandremana ny didin'Andriamanitra na dia eto amin'ity fiainana ity aza; ary ny valiny any amin'ny fiainana ho avy dia fitahiana mandrakizay. Na eo aza ny fiaikem-pinoana ataontsika dia tsy tanteraka eo imason'Ilay mandanja ny asantsika ny fanehoantsika an'i Kristy. (...)
Hanatanteraka ny asany ao amin'ny fo torotoro ny Fanahy Masina. Tsy afaka hanao izany kosa Izy ao amin'ny fanahy izay manandra-tena sy manamarin-tena. (...) Ny tenany ihany no manakana ny Fanahy Masina tsy hiasa. Hiasa kosa ny Fanahy raha milefitra ny "izaho". (...)
Vonona hiara-miasa amin'izay rehetra handray Azy sy hanaiky hampianariny ny Fanahy Masina. Izay rehetra mihazona ny fahamarinana sy nohamasinina tamin'ny fahamarinana dia iray amin'i Kristy, hany ka afaka maneho an'i Kristy amin'ny teniny sy ny asany. (...) Enga anie ny Fanahy Masina hiteny ao am-pon'ny olom-boafidin'Andriamanitra, mba ho sarobidy toy ny volamena ny tenin'izy ireo rehefa hanolotra ny mofon'aina ho an'ny mpandika lalàna sy ny mpanota (…)
Sitrapon'Andriamanitra ankasitrahany ny anomezana ny olona fitahiana amin'ny fahafenoany tanteraka. Efa nataony ho azo resena ny zava-tsarotra rehetra, ary ny tsy ampy rehetra hofenoin'ny Fanahy Masina. Toy izany no tiany hamolavolan'ny olona fahatanterahan-toetra kristianina. Tian'Andriamanitra ny hibanjinantsika ny fitiavany, ireo teny fikasany, izay omeny maimaimpoana ho an'ireo izay tsy manana fahamendrehana akory ao aminy. Tiany isika hiantehitra tanteraka Aminy amin-pankasitrahana sy amim-pifaliana, noho ny fahamarinana atafy antsika ao amin'i Kristy. — UL, t. 353.
"Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy." - Ezek. 36:25-27.
Ahoana no anehoan'ny Ezek. 36:25-27 ireo fahamarinana izay tian'i Jesôsy hampahafantarina an'i Nikôdemosy sy ilay vehivavy teo am-pantsakana?
Tao anatin'ireo toe-javatra roa ireo, dia nitady izay fomba hanatrarana ireo olona ireo tamin'ny fahamarinana ara-panahy i Jesôsy, na dia sary an'ohatra avy tamin'ny zava-misy teo amin'ny fiainana andavanandro aza no nampiasainy tamin'izany.
Samy tsy nahatakatra izay tian'i Jesôsy hambara izy roa ireo; azo antoka izany tamin'ny voalohany. Nanontany i Nikôdemosy ny amin'ny fomba hahafahan'ny olona iray hateraka indray, 'zany hoe, ahoana no hiverenany ao an-kibon-dreniny? Hita mazava fa nisaina araka an'izao tontolo izao sy araka ny tany i Nikôdemosy, na dia fahamarinana ara-panahy aza no notondroin'i Jesôsy mazava mba hifantohany. Ilay vehivavy koa dia nandray ara-bakiteny ny tenin'i Jesôsy mikasika ny rano kanefa zavatra ara-panahy no noresahin'i Jesôsy taminy.
Izao no navaliny teo anatrehan'ny fanomezan'i Jesôsy azy ny rano velona: "Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony." - Jao. 4:15. Noheveriny fa hampitsahatra ny dia lavitra fanaony mba hantsaka ny rano izay omen'i Jesôsy, ka hampihena ny mety ho fifanenany amin'ny olona. Mahagaga tokoa ny niovan'ny resaka, avy amin'ny fangatahan'i Jesôsy rano hosotroina ho amin'ny fangatahan'ilay vehivavy rano taminy.
Vakio ny Jao. 4:16. Inona ny navalin'i Jesôsy ny fangatahan'ilay vehivavy?
Tampoka teo dia novan'i Jesôsy ny anton-dresaka ka nilazany ravehivavy mba hiantso ny vadiny ary hiverina eo Aminy. Inona no anton'izany fiovan'ny anton-dresaka tampoka izany? Nitory fiafinafenana ny fihetsik'ilay vehivavy kanefa hitan'i Jesôsy ny tao am-pony. Tsy maintsy atrehiny ny toe-javatra iainany mba hahitany fahasitranana. "Alohan'ny ahazoan'ity fanahy ity mandray ny fanomezana izay iriny atosaka aminy, dia tsy maintsy tarihina izy hanaiky ny fahotany sy hanaiky ny famonjeny." - IFM, t. 137.