Hodinihina mandritra ny herinandro: Jer. 29:23,24; Sal. 139:1-6; Dan. 12:4; Apôk. 22:10; 2 Tim. 3:15-17; Heb. 4:12.
Tsianjery: "Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehôvah , Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehôvah ." - Jer. 9:23
Tsy mitovy hevitra ny Kristianina momba ny faminaniana, toy izany koa mahakasika ny ankamaroan'ireo lohahevitra hafa ao amin'ny Soratra Masina. Matetika izany no mitondra faharesen-dahatra izay mahatonga ny hafa hihevitra fa fandaniam-potoana ny faminaniana ara-Baiboly. Ahoana tokoa moa no itokiana ny fahamarinan'ny faminaniana raha toa mampiady hevitra ny Kristianina ny tsipiriany madinika rehetra momba izany? Indrisy fa marobe ny mpino manomboka mihevitra koa fa tsy mety ho takatry ny saina ny boky sasany ao amin'ny Baiboly, toy ny Apokalipsy. Tsy mamaky ireny boky ireny izy ireo fa mandositra izany; ary indraindray aza izany dia vokatry ny fandrisihana amim-pitiavana ataon'ny Pasitora noho ny fiheverany fa miteraka olana kokoa fa tsy mamaha olana ny fandinihana ny faminaniana.
Tsy tahaka izany mandrakariva anefa no niseho tamin'ny lasa. Nandritra ireo taonjato valo ambin'ny folo voalohany teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristianina, dia nifankazatra tanteraka tamin'ny faminanian'ny Baiboly ny ankamaroan'ny Kristianina, ary nahagaga ny fitovian-kevitra hita teo amin'izy ireo mahakasika ireo hafatra manan-danja ao amin'ny faminaniana. Izany tokoa no nokasain'Andriamanitra: "Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra." 1 Kôr. 1:10.
Hodinihintsika mandritra ity herinandro ity ireo fitsipika sasantsasany hahafahana mahatakatra ny faminaniana amin'ny fomba tsy miovaova sy azo antoka.
*Famerenana ny lesona ny sabata 05 Aprily.