Ny tanjona voalohany nanorenan'Andriamanitra ny firenena Isiraely dia tsy ny hanameloka izao tontolo izao, fa ny hamonjy azy. Hita mazava fa mahatsiaro meloka ny ankamaroantsika rehefa manoloana olona iray maneho fitondran-tena marina; ary ny fisian'ny Isiraely koa dia natao hanasongadinana ny fahotana sy ny fitiavan-tenan'ny firenena manodidina azy. Mpampiharihary ny toetra marin'Andriamanitra ny mpino izay manana fiainana mifandrindra amin'Andriamanitra, ka manjary fananarana ho an'ny hafa. Tokony hampiseho ny toetran'Andriamanitra ny fiainan'ireo izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra" - Apôk. 14:12; izany no tsara indrindra.
Raha nanao araka ny tokony ho nataony sy nasaina nataony ny Isiraelita, dia ho nanatona azy tamim-pihavanana ny firenen-kafa, ka ho nitady hahafantatra misimisy kokoa momba azy ireo sy ny Andriamaniny. Indrisy anefa, araka ny asehon'ny fahababoana tany Babilona, fa tonga nanafika azy kosa ireo firenena ireo.
I Jesôsy no fanehoana faratampony ny toetran'Andriamanitra, mazava loatra - Ilay hany olombelona naneho izany tamin'ny fomba tonga lafatra. Azo antoka fa voaheloka ny fon'ny olona teo anatrehan'ny ohatra lavorary nasehony, kanefa natao ho fanasana azy ireo izany (jereo ny Jao. 3:16-21).
Tahaka ny tanjon'Andriamanitra faratampony tamin'ny nanorenany ny firenena Isiraely ihany no tanjony tamin'ny nanorenany ny fiangonana: iriny fatratra ny hampiasa ny vahoakany hitaomana ny mpanota ho eo amin'i Kristy. Tsy ho an'ny olom-bitsy voafantina ihany ny hafatr'ireo anjely telo izay natao hotorin'ny fiangonany, fa natao "hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk. 14:6. Voalaza mialoha ao amin'ny Apôk. 18:1 fa hohazavain'ny voninahitr'Andriamanitra ny tany rehetra alohan'ny fiverenan'i Kristy.
Inona no ampianarin'ireto andininy manaraka Ireto antsika momba ny fikasan Andriamanitra ho asan'ny vahoakany eto amin'Izao tontolo izao? Ahoana no hampiharantsika ireo foto-kevitra Ireo amin'ny tenantsika manokana?
Nom. 14:17-21
…………………………………………………………………………………………………………………..
Isa. 42:6, Isa. 49:6, Isa. 60:3 ………………………………………………………………………………………………………………….
Apôk. 18:1-4
……………………………………………………………………………………………………………………
Vakio indray ny Apôk. 18:1-4, izay antso miantefa amin'ny olon'Andriamanitra, mba hlalany ao Babilona. Ahoana no hahatanteraka izany? Izany hoe, ahoana no ahafahan'Andriamanitra mamplasa antsika, amin'ny maha-flangonana fa tsy Babilona antsika, hiantsoana Ireo olon'Andriamanitra mbola ao Babilona, mba hlala ao?