Vakio ny Mar. 15:42--16:6. Inona no mitranga eto? Ary nahoana io tantara io no tena manan-danja ao amin'ny fitantarana momba ny fitsanganana amin'ny maty?
Miara-manaiky ny filazantsara efatra fa maty tamin'ilay andro antsoina hoe "Fiomanana" i Jesôsy (Mat. 27:62; Mar. 15:42; Lio. 23:54; Jao. 19:14,31,42). Manazava ny ankamaroan'ny mpandinika fa manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro Alakamisy hatramin'ny filentehan'ny masoandro Zoma io andro io. Ny harivan'ny Zoma i Jesôsy no maty, ary nalevina haingana Izy tsy ho tratry ny filentehan'ny masoandro.
Nitsahatra tao am-pasana ny Tompo nandritra ny Sabata, ary ny mpianatr'i Jesôsy rehetra koa nitsahatra. "Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny laiàna."- Lio. 23:56. Ho hafahafa tokoa izany fihetsika izany raha toa i Jesôsy ka nampiditra tao an-tsain'ny mpianatra fa tsy zava-dehibe ny fitandremana ny Sabata.
Ny alina, rehefa afaka ny Sabata, dia nividy zava-manitra ireo vehivavy ary nankany amin'ny fasana ny Alahady maraina mba hamita ny fanatanterahana ny fombafombam-pandevenana. Mazava loatra fa tsy tao intsony i Jesôsy!
Nanomboka tamin'ny taonjato faharoa dia hitan'ny Kristianina fa misy antony manan-danja ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ny andro Alahady. Dia toy izany no nanombohan'izy ireo nanamasina ny Alahady. Kanefa izany tokoa ve no ampianarin'ny TV?
Vakio ny Kôl. 2:10-12. Inona ny tsangambato fahatsiarovana ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty ao amin'ny TV?
Tsy misy teny ao amin'ny Baiboly, na iray aza, manambara ny fahamasinan'ny Alahady amin'ny maha-fahatsiarovana ny fitsanganana amin'ny maty azy. Ny batisa no natao hahatsiarovana izany. "Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao."- Rôm. 6:4.
"Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindrampony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty" - 1 Pet. 1:3. Diniho ny toky nananan'i Petera momba ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty. Ahoana no hananantsika koa izany toky izany.