Vakio ny 1 Kôr. 10:1-4. Ahoana no fanazavan'i Paoly ny tantaran'ny fanafahana ny Isiraely? Inona ny lesona ara-panahy tiany ampitaina amintsika amin'izany?
Vakio ny Sal. 114. Ahoana no anoritsoritana amin'ny fomba kanto eto ny nanavotan'Andriamanitra ny vahoaka Isiraely tany Egipta? Fanehoana kanto ny nanafahan'Andriamanitra ny zanany tamin'ny fanandevozan'ny Egiptianina no hita ao amin'ny Sal. 114.
Vakio ny Sal. 17:7-9; Sal. 31:1-3, sy ny Sal. 91:2-7. Inona no ataon'ilay mpanao Salamo ao anatin'ny fotoan-tsarotra?
Tojo olana isan-karazany ny mpanao Salamo eto, ary mitodika amin'i Jehovah izy ao anatin'izany rehetra izany, Izay aro ho azy ao anatin'ny fahoriana, na toy inona na toy inona izany. Ny matoky an'Andriamanitra dia ny mifidy tsotra izao hanaiky an'Andriamanitra ho Tompo mpanapaka ny fiainana na inona na inona toe-java-miseho. Raha afaka mitoky amin'Andriamanitra ao anatin'ny fotoan- tsarotra isika dia ho afaka hitoky Aminy amin'ny fotoana rehetra.
Vakio ny Sal. 139:1-18. Ahoana no anoritsoritan'izany ny herin' Andriamanitra (Sal. 139:1-6), ny fanatrehany (Sal. 139:7-12), ary ny fahatsarany (Sal. 139:13-18) amin'ny fomba kanto? Hitantsika eto ny fahalehibiazan'Andriamanitra; inona no ambaran'izany momba ireo teny fikasany?
Hamafisina ombieny ombieny ao amin'ny Salamo ilay fahamarinana fa Jehovah Andriamanitra, Izay Mpahary sy Mpamelona izao tontolo rehetra izao dia maneho ny Tenany koa ho Andriamanitra akaiky ny isambatan'olona, Izay mifandray sy mikolokolo fifandraisana amin'ny olony.
Vakio ny Sal. 86:5,15; "Ny fitiavan'Andriamanitra ny olona" toko 1 ao amin'ny DHK.
Manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny filazalazana samihafa momba ny toetran'Andriamanitra sy ny asany ao amin'ny Salamo ny fahamarinana mikasika ny maha- fitiavana Azy; amin'ny fomba ahoana?