Araka ny efa hitantsika, ny lalåna sy ny fahasoavana dia tsy mifanipaka. Samy manana ny asany kosa izy ireo, izay mifandrindra amin'ny fitiavana sy ny fahamarinan Andriamanitra. Ho nahavery hevitra ny Isiraelita fahiny raha nifanohitra ny lalana sy ny fahasoavana, fanehoana lehibe ny fahasoavan'Andriamanitra mantsy no nandraisan'izy ireo ny fanomezan Andriamanitra ny lalana. Niovaova sady tsy fantatra be ihany ny sitrapon'ireo "andriamanitry" ny firenena nanodidina, ka tsy fantatry ny olona mazava izay tian'ireo "andriamanitra" ireo sy izay mahafaly azy; ilay Andriamanitry ny Baiboly kosa dia manambara mazava amin'ny vahoakany ny amin'izay ankasitrahany. Ary izay mahasoa indrindra ny olony rehetra no sitrany, na isam-batan'olona na amin'ny maha-vahoaka azy.
Tsy mahavonjy antsika amin'ny ota na manova ny fon'ny olombelona anefa ny lalana. Amin'ny maha-mpanota antsika dia mila ovana tanteraka ho ara-panahy ny fontsika.
Vakio ny Jer. 31:31-34. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny teny fikasan Andriamanitra hanome antsika to vaovao? Ampitahao amin'ny teny nataon'i Kristy tamin'l Nikodemôsy ao amin'ny Jao. 3:1-21, momba ny fahateraham-baovao, izany. (Jereo koa ny Heb. 8:10)
Andriamanitra mihitsy no nanoratra ny Didy folo teo amin'ny vato fisaka (Eks. 31:18), kanefa natao hosoratana ao am-pon'ny vahoakan'Andriamanitra koa ny lalana (Sal. 37:30,31). Raha ny tsara indrindra dia tsy tokony ho ivelany fa ao anatin'ny toetrantsika mihitsy ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra. Andriamanitra irery no mahay manoratra ny lalány ao am-pon'ny olombelona, ary nanome toky Izy fa hanao izany ho an'ny vahoakan'ny fanekeny (jereo ny Heb. 8:10).
Tsy mahay mamonjy ny tenantsika amin'ny alalan'ny fitandremana ny lalána isika. Fahasoavana no amonjena antsika amin'ny alalan'ny finoana; tsy avy amintsika izany fa fanomezana avy amin'Andriamanitra (Efes. 2:8). Tsy mitandrina ny lalana mba hovonjena isika fa satria efa novonjena. Tsy mitandrina ny lalana mba hotiavina isika fa satria efa tiana, koa irintsika ny hitia an'Andriamanitra sy ny hafa (Jao. 14:15).
Etsy andanin'izany, asehon'ny lalána amintsika ny fahotantsika (Jak. 1:22-25; Rồm. 3:20; Rôm. 7:7); ambarany amintsika fa mila Mpanavotra isika (Gal. 3:22-24); tarihiny ho amin'ny fomba fiainana tsara indrindra isika, ary ambarany ny toetran'Andriamanitra, Izay Fitiavana.
Inana no fanantenanao amin'ny andro fitsarana? Ny fitandremanao min-jotom-po sy amim-pahatokiana ny lalana ve sa ny fahamarinan'i Kristy mandrakotra anao? Inona no ambaran'ny valin-teninao momba ny asan'ny lalana? Inona no hain'ny lalana atao ary inona no tsy hainy?