Ny fitiavana no fototra iorenan'ny lalan'Andriamanitra. Rehefa manandratra ny lalana Andriamanitra, dia manandratra ny fitiavana. Izany no anton'ny nahafatesan'i Jesõsy hamonjy ny mpanota, mba hahafahany manandratra ny lalàna sy mandrotsaka amintsika koa ny fahasoavany. Dia izany no mahatonga Azy ho marina sady mpanamarina izay rehetra mino Azy (Rôm. 3:25,26). Fanehoam-pitiavana re izany! Koa tsy manafoana ny lalåna velively ny fanavotana antsika, fa manamafy izany aza.
Vakio ny Rôm. 6:1-3 sy ny Rôm. 7:7-12, ka diniho manokana ny and. 12. Inona no ambaran'ireo andininy Ireo momba ny lalana, na dia taorian'ny nahafatesan'l Kristy aza?
Na mino aza ny olona sasany fa manafoana ny lalàna ny fahasoavana sy ny fanavotana, i Paoly kosa dia milaza mazava fa tsy afaka mitoetra amin'ny ota isika mba hitomboan'ny fahasoavana. Raha ny marina, ireo izay natao batisa tao amin'ny finoana an'i Kristy dia "natao batisa ho amin'ny fahafatesany", koa mahazo mihevitra ny tenany ho efa maty ny amin'ny ota izy, fa velona ho an'i Kristy kosa.
Tsy fahotana ny lalàn'Andriamanitra fa mampiharihary ny fahotana sy ny maha-mpanota antsika (ankoatra ny zavatra hafa). Noho izany, "masina tokoa ny lalana, ary masina ny didy sady marina no tsara." - Rôm. 7:12. Tsy misy afa-tsy ny lalana no mahay maneho amintsika ny ilantsika tokoa famonjena sy fanavotana dia ny famonjena sy ny fanavotana avy amin'i Kristy irery ihany. Araka izany, tsy mahafoana ny lalana amin'ny finoana isika, fa vao mainka mampiorina tsara izany (Rôm. 3:31).
Tsy tonga hanafoana ny lalana i Kristy fa hanatanteraka izay rehetra nampanantenaina ao amin'ny lalàna sy ny mpaminany. Koa tsindriany tsara fa: "Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalana, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra."- Mat. 5:18.
Maneho ny fahamasinan'Andriamanitra ny lalana ny fitiavany tonga lafatra, ny fahitsiany, ny fahatsarany, ary ny fahamarinany (Lev. 19:2; Sal. 19:7,8; Sal. 119:142,172). Araka izany, misy antony lehibe matoa nosoratan'Andriamanitra mihitsy teo amin'ny vato fisaka ny Didy folo, ao amin'ny Eks. 31:18. Vavolombelon'ny toetran'Andriamanitra tsy miova sy ny fitondram-panjakany miorina amin'ny fitiavana izany- izay lohahevi-dehibe ao anatin'ny fifanandrinana lehibe.
Mifamatotra ny lalana sy ny fitiavana. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra tsara ny hevitry ny tenin'i Jesôsy hoe: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko" - Jao. 14:15?