Tsy fitsipika manjavozavo no mandrafitra ny lalan'Andriamanitra, fa maneho fifandraisana kosa izany. Hita mazava tsara ao amin'ny Didy folo izany. Efa napetraka hatrany amin'ny saha Edena ny foto-kevitra iorenan'ny Didy folo, dia ny foto-kevitry ny fitiavana izay tokony hifehy ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olombelona, ary ny olona samy olona.
Rehefa nosoratana tamin'ny vato fisaka ny Didy Folo ao amin'ny Eks. 20, dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fifandraisana ao anatin'ny fanekena no nanomezana izany ny Isiraely. Taorian'ny nanafahan'ny Tompo ny vahoaka avy tao Egipta no nanoratana ireo didy ireo, ary ny fitiavan'Andriamanitra sy ny teny fikasany ho an'ny firenena no fototra niorenany (jereo ny Eks. 6:7,8 sy ny Lev. 26:12). Hitantsika ao amin'ireo fizarana roan'ny Didy Folo fa mikendry izay hahatsara ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra sy ny fifandraisany amin'izy samy izy izany.
Vakio ny Eks. 20:1-17. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo foto-kevitra roa, dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa?
Mikasika ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ireo didy efatra voalohany, ary ireo enina sisa kosa dia momba ny fifandraisan'ny olona samy olona. Tsy maintsy fehezin'ny foto-kevitry ny lalan'Andriamanitra ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa.
Ireo fizarana roa ao amin'ny lalana ireo dia mifanandrify indrindra amin'ilay lazain'i Jesősy hoe didy roa lehibe indrindra - "Tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra - Mat. 22:37(ampitahao amin'ny Deo. 6:5), sy "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" - Mat. 22:39 (ampitahao amin'ny Lev. 19:18).
Ambaran'i Jesôsy mazava ny fifandraisan'ireo didy roa lehibe ireo tanteraka amin'ny lalana. "Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalana rehetra sy ny mpaminany."-Mat. 22:40.
Araka izany dia miorina amin'ny fitiavana ny lalan'Andriamanitra manontolo; tsy azo sarahina ny fitiavan'Andriamanitra sy ny lalana. Fandrentsika matetika ny hoe: "Tsy mila mitandrina ny lalana isika fa ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny hafa dia ampy." Nahoana no tsy mitombina izany hevitra izany?
Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana an'Andriamanitra na fitiavana ny hafa raha toa ka dikaintsika ny Didy folo, na ny anankiray amin'izany monja aza?