Hodinihina mandritra ny herinandro: Joba 30:26; Mat. 27:46; Joba 38:1-12; Sal. 73; Gen. 2:16,17; Apôk. 21:3,4.
Tsianjery:
"Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha." - Apôk . 21:4.
Ny olan'ny faharatsiana no azo heverina ho olana lehibe indrindra atrehin'ny fivavahana kristianina. ahoana no ahazoana an-tsaina ny hoe: Andriamanitra dia fitiavana ary manana ny fahatsarana tonga lafatra, kanefa misy ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao? Izany hoe, raha tonga lafatra sy mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra, nahoana no misy ny ratsy, sady toa manjaka tokoa?
Tsy resaka fotsiny izany olana izany fa tena manahiran-tsaina ny maro ary manakana ny sasany tsy hanatona an'Andriamanitra aza mba hahafantarany sy hitiavany Azy.
"Mahatonga fahaverezan-kevitra lehibe ho an'ny saina maro ny niavian'ny fahotana sy ny anton'ny fisiany. Hitany ny asan'ny ratsy, miaraka amin'ny vokany mahatsiravina dia loza sy faharavana, ka velom-panontaniana izy ny amin'ny fomba mety hisian'izany eo ambany fanapahan'llay Anankiray tsy voafetra amin'ny fahendrena, ny hery sy ny fitiavana. Zava-miafina tsy ahitany fanazavana izany." - HM, t. 509.
Ateista (ireo tsy mino ny fisiana Andriamanitra) maro no manao io olan'ny faharatsiana io ho anton'ny maha-ateista azy. Kanefa ho hitantsika mandritra ity herinandro ity sy ireo herinandro ho avy fa llay Andriamanitra ao amin'ny Baiboly dia Andriamanitra tsara tanteraka, tsy misy aloky ny ratsy ao Aminy, ary azontsika itokiana Izy na eo aza ny faharatsiana izay manenika ity tontolontsika lavo ity.
*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Febroary.