« Ary hoy Jehôvah tamin’i Gideôna: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy. »Mpits. 7:2.
Mar. 4:1-34; Jak. 1:21; Isa. 6:1-13; Sal. 104:12; Dan. 4:10-12.
Tsianjery:
"Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. Fa izay manana no homena; ary ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy." - Mar. 4:24,25.
Vakio ny IFM, toko 28: "Levy Matio", sy ny toko 29: "Ny Sabata". "Rehefa nanontaniana Jesoôsy hoe: 'Mety ve ny manasitrana amin'ny andro Sabata? dia novaliany hoe: 'Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata' - Mat. 12:10-12.
Vakio ny Mar. 3:20,21. Inona no nahatonga ny fianakavian'i Jesôsy hihevitra Azy ho very saina?
Ny filazana olona iray ho very saina dia teny henjana tokoa. Efa tsy miaro ny ain'ny tenany intsony ilay olona matoa tonga amin'izany tsoa-kevitra izany. Izany no tsapan'ny fianakavian'i Jesôsy momba Azy satria hitany sahiran-doatra Izy ka tsy niato mba hihinan-kanina. Rehefa tapa-kevitra ny haka Azy ny havan'i Jesôsy, dia teo no nisosoka ny tantaran'ireo mpanora-dalána izay nanameloka an'i Jesôsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny devoly.
Melohin'ny Fariseo ho mpandika ny Sabata ny mpianatra ao amin'ny Mar. 2:23,24. Araka ny lalana jiosy dia misy 39 ireo karazana asa voarara amin'ny andro Sabata, ka araka ny fijerin'ny Fariseo dia anisan'izany ny nataon'ny mpianatra.
Vakio ny Mar. 2:23-28. Ahoana no namalian'i Jesôsy ny fanamelohana nataon'ny Fariseo?
Vakio ny Mar. 2:1-12. Inona no notadiavin'ilay mararin'ny paralysisa raha nentina ho eo amin'i Jesôsy izy? Ary inona no azony?
Malemy tsy afa-mihetsika ity lehilahy ity, koa ny namany efa-dahy no tsy maintsy nitondra azy ho eo amin'i Jesôsy. Rehefa nanongotra ny tafon-trano izy ireo mba hampidinana ny namany marary marary h ho amin'i Jesôsy, dia hitan'i Jesôsy eo ny finoan'ireo, araka ny voalaza ao amin'ny Mar. 2:5. Mety ho hita maso ve ny finoana? Tahaka ny fitiavana dia hita amin'ny asa atao izany. Eto dia hita mazava ny fikirizan'ireto namany efa-dahy ireto.