Naseho tamin'ny mpanjaka babilonianina iray aloha ny nofy ao amin'ny Dan. 2. Fa ny nofy ao amin'ny Dan. 7 kosa dia naseho tamin'ny mpaminany hebreo iray, izay isan'ny vahoakan'ny fanekena.
Ilay lohahevitra naseho an'i Nebokadnezara ihany no naseho an'i Daniela, saingy tamin'ny fomba hafa. Tsy sariolona no hitany fa firenena nifandimby niakatra avy tao amin'ny ranomasina, izay nasamboaravoaran'ny rivotra. Nisy ady mandrakariva teo amin'izy ireo ka nahatonga fiovaovana hatrany teo amin'ny fahefany. Oharina amin'ny tondra-drano sy ny onjan-dranomasina ny fihahohahon'ny firenena ao amin'ny Sal. 65:5-8, Isa. 17:12, 13 sy Jer. 46:7,8.
Ny Tany Nampanantenaina anefa dia nisy tokoa nandritra ny fotoana voafaritra, toy ny nosy feno fiadanana sy fandriam-pahalemana teo anivon'ny ranomasin'ireo fanjakana jentilisa firenena masina mipetraka eo amin'ny fanorenana mafin'ny fitondram-panjakan Andriamanitra, mifanohitra amin'ireo firenena maditra manodidina azy.
Vakio ny Dan. 7:1-3. Misy fiovaovana betsaka ny toe-javatra eto. Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ny sary aseho eto, toy ilay biby voalohany niakatra avy tamin'ny ranomasina, ohatra?
Raha mbola nitazana avy teny amorony ny fisafotofoton'ny adin'ny Jentilisa i Daniela, dia nanomboka niakatra an-tanety ireo biby ireo-tonga teo amin'ny tany nisy azy! (jereo koa ny Dan. 8) Nanjary olan'ny vahoaka mpiray firenena aminy koa ny olan'ny Jentilisa. Nifidy hiaina toy ny Jentilisa izy ireo, koa dia hiara-miaina amin'ny Jentilisa tokoa (sy eo ambanin'ny fahefany). Hatramin'ny fotoana nanjakan'ny Babiloniana dia tsy nahazo fahaleovantena tanteraka na maharitra intsony ny vahoaka voafidin'Andriamanitra.
Haharitra hatramin'ny andro farany io fahaverezan'ny fahaleovantenan'ny vahoakan'Andriamanitra io, mandra-pametrahana an'i Kristy eo amin'ny toeram-boninahitra mendrika Azy, amin'ny maha-Mpanjaka Azy. Niari-pahoriana hatrany ny vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TV, teo ambanin'ny fahefan'ny fanjakana romanina, ary avy eo nandritra ny fanenjehana nataon'ilay tandroka kely, izay fanjakana nandimby an'i Rôma jentilisa.
Na nisy firenena tsara noho ny sasany aza teo amin'ny tantara, ary vanim-potoana milamina kokoa noho ny sasany, ny tantaran'ireo firenena, vahoaka, ary fanjakana ankapobeny dia tsy ahitana afa-tsy fialana amin'ny loza iray ho amin'ny loza iray hafa, fialana amin'ny mpampahory iray ho amin'ny mpampahory iray hafa. Ary matetika mpitondra milaza ny tenany ho manana fikasana tsara indrindra ho an'ny vahoakany no manao izany rehetra izany. Mifanipaka tanteraka amin'ny fitondrana izay nirin'Andriamanitra hitantanana ny vahoakany izany; raha mba nifidy azy mantsy izy ireo!
Ahoana no anazavan'ny Rom. 3:10-19 ny ankamaroan'ny zava-mitranga eto amin'izao tontolo izao? Ahoana no anehoan'ny and. 19 manokana ny antony ilantsika indrindra ny filazantsara eo amin'ny fiainantsika?