Melohin'ny Fariseo ho mpandika ny Sabata ny mpianatra ao amin'ny Mar. 2:23,24. Araka ny lalana jiosy dia misy 39 ireo karazana asa voarara amin'ny andro Sabata, ka araka ny fijerin'ny Fariseo dia anisan'izany ny nataon'ny mpianatra.
Vakio ny Mar. 2:23-28. Ahoana no namalian'i Jesôsy ny fanamelohana nataon'ny Fariseo?
Ilay tantaran'i Davida nihinana mofo aseho (1 Sam. 21:1-6) no namalian'i Jesôsy azy. Andro Sabata no fanesorana ny mofo aseho, koa inoana fa tamin'ny andro Sabata no nandosiran'i Davida. Nambaran'i Jesôsy fa raha tsy meloka tamin'ny nihinanany mofo aseho i Davida sy ireo zatovony, dia tsy meloka koa ny mpianatra raha nioty sy nikosoka salohim-bary ka nihinana.
Nohazavain'i Jesôsy avy eo fa natao hahasoa ny olona ny Sabata, fa tsy ny mifamadika amin'izany; ary ny fototra nanorenany izany fanambarany izany dia satria Izy no Tompon'ny Sabata.
Vakio ny Mar. 3:1-6. Ahoana no anazavan'io tantara io ilay tenin'i Jesõsy hoe: "Ny Sabata no natao ho an'ny olona"?
Tojo fanoherana avy amin'ireo mpitondra fivavahana indray i Jesõsy eto, mikasika ny Sabata. (Mariho tsara fa tsy fanafoanana ny fitandremana ny Sabata no resahina eto.) Tian'izy ireo homelohina i Jesõsy raha manasitrana amin'ny andro Sabata. Tsy natahotra ny niatrika azy ireo i Jesôsy. Napetrany mazava ny fifanoherana eo amin'ny manao soa sy ny manao ratsy, ary ny mamonjy aina sy ny mahafaty. Mibaribary ny tokony ho valin'ny fanontaniany: ny manao soa sy ny mamonjy aina no mety hatao amin'ny Sabata.
Dia nositranin'i Jesôsy ilay lehilahy; koa tezitra indrindra ireo mpanohitra Azy, ary avy hatrany dia nioko hahafaty Azy. Ny mahatsikaiky amin'izany tantara izany anefa dia ireto mpitondra fivavahana ireto indrindra no nandika ny Sabata tamin'ny niraisany tetika hamono Azy tamin'io andro masina ion besar yn
Inona ny lesona azonao tsoahina momba ny fitandremana ny Sabata eo am-pandinihana ireo tantara ireo sy ny olana atrehintsika ankehitriny momba ny fitandremana ny Sabata?