"Mitsangana, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. "- Jona 1:2.
Mofon'ana:
Raha niharatsy ny tao Ninive, dia tsy hoe azon'ny faharatsiana tanteraka tsy akory. Izy izay "mijery ny zanak'olombelona rehetra" - Sal. 33:13 (...) dia nahita tao amin'ity tanàna ity olona maro izay mikendry ny tsara sy ambony kokoa hatrany (...) Niseho tamin'izy ireo Andriamanitra tamin'ny fomba tsy mety diso mba hitarika azy ho amin'ny fibebahana.