"Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana aho." - Mat. 9:21
Mofon'aina:
Vehivavy mahantra no nanao ireo teny ireo - vehivavy izay nijaly nandritra ny roa ambin'ny folo taona noho ny aretina izay nahatonga ny fiainany ho enta-mavesatra. Efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpitsabo sy ny fanafody izy, nefa dia ny hoe tsy azo sitranina ihany no azony tamin'izany. Rehefa nandre kosa ny amin'Ilay Mpanasitrana Lehibe izy, dia velona ny fanantenany. (...) Impiry impiry izy no efa niezaka nanatona Azy fa tsy nahomby.