Teraka tao Amerika ny Fiangonan'ny sisa, dia teo amin'ilay toerana nitadiavan'ireo 'ireo nenjehina fahafahana ara-pivavahana indrindra, tamin'ireo taonjato faha-17 sy faha-18. Efa ela no nisian'ny korontana teo amin'ny lafiny ara-pivavahana sy ara-politika tany an-toeran-kafa; koa inoana fa tsy nisy toerana hafa ankoatra io tany vaovao io, izay tonga Etazonia taty aoriana, nahafahan'ilay fihetsehana nandroso haingana dia haingana sy tamin-kery toy izao.
Vakio ny Apôk. 10:1-11, izay manoritsoritra ny nipoiran'i fihetsehana io. Mariho ireo singa sasantsasany efa nianarantsika, toy ny "firenena", ny tany, ny ranomasina. Inona ny zava-dehibe ampahafantarina anao ao? Aoka anefa hitandrina mba tsy hivaona eo am-panazavanao izany.
Toy ireo anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 sy ilay anjely ao amin'ny Apôk. 18, dia niantso tamin'ny feo mahery koa ilay anjely eto. Fotoana manan-danja lehibe eo amin'ny tantara no resahina, izay ampiorenana ny asan'ny fiangonana rehefa miorina ny asan'ny fiangonana sisa ho an'ireo "olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro." - Apôk. 10:11.
Mitazona "boky kely" ilay anjely azo inoana fa ny bokin'i Daniela io (jereo ny Dan. 12:4) izay sambany vao nosokafana taorian'ny taonjato maro. Ny tongony iray teo ambonin'ny ranomasina ary ny iray teo ambonin'ny tany. Azo heverina araka izany fa mahafaoka ny tany manontolo ilay hafatra, na ny Tontolo fahiny na ny Vaovao. Mety hidika koa izany fa ho an'ny firenena rehetra ilay hafatra: dia ireo monina eto ambonin'ny tany sy ireo monina any amin'ny ranomasina-"jentilisa".
Hanazava ny tany manontolo ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny farany, ary ho voatory amin'ny rehetra ireo hafatra farany ao amin'ny Apôk. 14. Tahaka ny Isiraely dia ny hitory ny filazantsara "amin'izao tontolo izao (...) ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra" no iraka ampanaovina antsika, "dia vao ho tonga ny farany" - Mat. 24:14.
Ho amin'ny fiafarana miezinezina no itondran'Andriamanitra ny tantaran'ny taranak'olombelona: tapitra hatreo ny fanjakan'olombelona, ary apetraka eo amin'ny fiandrianana mandrakizay kosa i Kristy. Vakio ny Dan. 2:34,35,44,45. Ambaran'ny Baiboly mazava tsara fa holevonina tsy hisy intsony ireo fanjakana rehetra eto an-tany, mandra-pahafoana tanteraka ireo vokany mahatsiravina, ka ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay no ho solony, izay tsy hisy fahotana, na fahoriana, na aretina, na faharatsiana, na fahafatesana intsony.
Jereo fa voalazan'ny faminaniana ao amin'ny Dan. 2 sy 7 an-tsipiriany ny fisandratana sy ny faharavan'ireo fanjakana rehetran'izao tontolo izao ireo. Mahatalanjona tokoa ny fahatanterahan'lreo faminaniana ireo antsakany sy andavany raha dinihina ny vanim-potoana nanoratan'i Daniela azy. Nahoana no tokony hanampy antsika izany hatoky an'Andriamanitra ny amin'llay fanjakana farany mandrakizay - dla ny fanjakan'Andriamanitra?