Efa nahita andininy vitsivitsy isika mampianatra ny amin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan Andriamanitra sy i Satana. Amin'ny fomba ahoana anefa no mety hampisy ny ady toy izany? Iza no mahatohitra Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra? Raha ny hery no tena itondrana izany fifanandrinana izany dia ho tapitra mialoha ny nanombohany aza ny ady. Tsy maintsy ho hafa karazana io ady io. Eny tokoa, manambara ny Soratra Masina fa mahakasika ny toetran'Andriamanitra ilay adyady amin'ny fanendrikendrehana ataon'ny devoly, izay ilazany fa tsy tena tsara sy be fitiavana tanteraka Andriamanitra (ankoatra ny fanendrikendrehana hafa). Ny filazana toy izany dia tsy azo resena amin'ny fahefana na amin'ny herisetra fa amin'ny fampitahana ireo mpifanandrina anankiroa kosa.
"Teo amin'ny ady nifanaovany tamin'ny fahotana dia ny fahamarinana sy ny rariny ihany no fiadiana azon'Andriamanitra nampiasaina. Satana kosa anefa dia mampiasa izay tsy azon Andriamanitra ampiasaina dia ny fandroboana sy ny fitaka. Niezaka izy hanolana ny hevitry ny tenin'Andriamanitra sy hanova endrika ny lamin'ny fitondram-panjakany teo anatrehan'ny anjely, tamin'ny filazany fa tsy rariny ny nametrahan Andriamanitra lalana sy fitsipika hifehy ireo mponin'ny lanitra; fa raha mitaky fileferana sy fankatoavana avy amin'izay nohariny Izy dia tsy mikendry afa-tsy ny hanandratra ny tenany. Noho izany dia tsy maintsy haseho mazava eo anatrehan ireo mponina any an-danitra, sy eo anatrehan'izao tontolo rehetra izao, fa marina ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ary tanteraka ny lalány. Nilofosan'i Satana ny hampiseho fa mikatsaka izay hampandroso ny soa rehetra eto amin'izao tontolo izao tokoa izy. Tsy maintsy hazava amin'ny rehetra ny tena toetra amam- panahin'ny mpisandoka, ny tena zavatra kendreny. Tsy maintsy manana fotoana ampy izany izy hanehoany ny tenany amin'ny alalan'ny asa ratsiny." - HM, t. 515.
Vakio ny Jao. 8:44,45 sy ny Apôk. 12:7-9. Inona no ambaran ireo andininy ireo momba ny toetran'ny devoly sy ny paikadiny?
Drafitri Satana hatrany am-boalohany ny manao izay hinoan'ny voary fa tsy tena marina na be fitiavana Andriamanitra, ary mampahory sy mampijaly ny olombelona ny lalàny. Tsy mahagaga raha "mpandainga (...) sady rain'ny lainga" no iantsoan'i Jesõsy ny devoly - Jao. 8:44. Tonga mba "hanambara ny marina" kosa i Jesõsy (Jao. 18:37), hanohitra mivantana ny lainga sy ny fiampangan'i Satana, handresy azy, ary amin'ny farany dia hamongotra ny devoly sy ny fahefany (1 Jao. 3:8, Heb. 2:14).
1) "Menarana ela" no iantsoana an'i Satana ao amin'ny Apok. 12:9,10;
2) Ilay mpiampanga ny vahoakan'Andriamanitra any an-danitra, ary
3) ilay dragona mpanapaka izay mamitaka an'izao tontolo izao. Midika tsotra hoe "mpanendrikendrika" ilay teny grika nadika hoe "devoly", izay mampiseho indray fa momba ny finoana ny toetry ny fifanandrinana, ao anatin'izany ny finoana mikasika ny toetran'Andriamanitra.