Nomen'Andriamanitra fahafaha-misafidy ny zavaboary satria ilaina amin'ny fitiavana izany; ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy io safidy malalaka io no mahatonga ny faharatsiana. Mbola maro anefa ny fanontaniana mipetraka. Navelan’Andriamanitra hisy ny ratsy (mandritra ny fotoana voafaritra), na dia halany aza; raha tsy izany mantsy dia ho voahaisotra ny fitiavana, ary raha fongorana aloha loatra ny ratsy dia hanimba ilay fitokiana izay ilain'ny fitiavana izany.
"Maizina ny tany noho ny fahalalana diso an'Andriamanitra. Mba hampisava ireo aloka manjombona, mba hahazoana mamerina ny olona ho eo amin'Andriamanitra, dia tsy maintsy ho montsanina ny hery mamitak'i Satana. Tsy mety ho vita amin'ny alalan'ny hery izany. Mifanohitra amin'ny foto-kevitry ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ny fampiasan-kery, fanompoam-pitiavana ihany no iriny, ary tsy azo baikoina ny fitiavana; tsy mety ho azo amin'ny alalan'ny hery na ny fahefana izany. Ny fitiavana ihany no mamoha ny fitiavana. Ny fahalalana an'Andriamanitra dia fitiavana Azy; tsy maintsy haseho ny toetra amam-panahiny hifanohitra amin'ny toetra amam-panahin'i Satana." - IFM, t. 9 (ed. 2023).
Raha tsy misy ny safidy malalaka, dia tsy hisy ny fitiavana, ary raha fitiavana Andriamanitra, dia mazava fa tsy afaka hanohitra ny fitiavana na ny fahafahana ilaina mba hisian'ny fitiavana Izy. Azo heverina koa fa raha fantatsika hatrany am-piandohana ny farany, tahaka an'Andriamanitra, dia tsy ho tiantsika ny hanafoanana ny fahafahantsika. Iza rahateo moa no haniry hiaina ao anatin'ny tontolo tsy misy fitiavana?
Vakio ny Rôm. 8:18 sy ny Apôk. 21:3.4. Ahoana no ahafahan'ireo andininy ireo manampy antsika hatoky ny hatsaram-pon'Andriamanitra, na dia eo aza ny faharatsiana rehetra eo amin'izao tontolo izao?
Tsy mahita ao anatin'ny maizina isika, fa Andriamanitra kosa mahita ny farany hatramin'ny voalohany. Hitany ny fahasambarana mandrakizay nampanantenaina izay rehetra mino an'i Jesõsy. Araka ny voalaza ao amin'ny Rom. 8:18 hoe: "Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika." Matoky sy mino izany teny fikasana mahatalanjona izany ve isika?
Toy izany koa, masina sy tena laina loatra ny fitiavana sy ny fahafahana raiki- tampisaka aminy, hany ka tsy nifidy ny handà antsika | Kristy, na dia fantany aza fa hitondra Azy ho eo amin'ny hazo fijaliana izany, izay hiaretany fahoriana mafy. Nomeny antsika ny fahafahana, kanefa fantany fa hovidiny lafo izany. Nahoana no tena zava-dehibe ny hitadidiantsika izany mandrakariva?
Ny tsy fanadinoantsika fa nomen'Andriamanitra safidy malalaka isika dia miaro antsika amin'ny fieritreretana fa sitrapon'Andriamanitra avokoa Izay rehetra mitranga: amin'ny fomba ahoana?