Hita manerana ny Soratra Masina ny herin'Andriamanitra mahatalanjona. Milaza tantara maro be momba ny fampiasany ny Heriny sy ny fanaovany fahagagana ny Baiboly. Na eo aza izany dia toe-javatra maro no mitranga nefa tsy tian'Andriamanitra hitranga.
Vakio ny Apôk. 11:17: Jer. 32:17-20; Lio. 1:37 ary ny Mat. 19:26. Diniho koa ny Heb. 1:3. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny herin Andriamanitra?
Ampianarin'ireo andalan-teny ireo sy ny hafa koa fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mamelona an'izao tontolo izao amin'ny heriny. Averimberin'ny Apokalipsy ny maha-"Tompo , Andriamanitra Tsitoha" an'i Jehôvah (jereo ohatra ny Apôk. 11:17; ampitahao amin'ny 2 Kôr. 6:18; Apôk. 1:8; Apôk. 16:14; Apôk. 19:15; Apôk. 21:22), ary ny teny nadika hoe "Tsitoha" (pantokrator) dia midika ara-bakiteny hoe "mahefa ny zavatra rehetra." Tsy amin'ny teny ihany no anehoana ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra fa amin'ny ohatra mahatalanjona izay ampiasany ny heriny mba hanafahana ny olony na koa amin'ny fiasany amin'ny fomba mahagaga eto amin'izao tontolo izao.
Na izany aza, ny filazana fa "mahefa ny zavatra rehetra" Andriamanitra dia tsy midika fa afaka manao ny zavatra rehetra Izy. Ampianarin'ny Soratra Masina fa misy zavatra tsy azon'Andriamanitra atao; manambara ohatra ny 2 Tim. 2:13 fa "tsy mahazo mandà ny tenany" Izy.
Miombon-kevitra, araka izany, ny ankamaroan'ny Kristianina fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra, izay midika fa manana fahefana hanao ny zavatra rehetra izay tsy ahitana fifanoheran-javatra Izy - izany hoe, ny zavatra rehetra izay azo atao sy mifanaraka amin'ny Fahendreny sy ny Toetrany. Tao amin'ny vavaka nataon'i Kristy tao Getsemane no nahitana zavatra tsy azon'Andriamanitra atao noho ny fisian'ny fifanoheran-javatra. Nanambara i Kristy fa "hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra" - Mat. 19:26 nefa nanao fangatahana tamin'ny Ray toy izao koa Izy rehefa nanakaiky ny fotoana hanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana: "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." - Mat. 26:39.
Mazava loatra fa ananan'ny Ray ny fahefana hoenti-manafaka an'i Kristy mba tsy hiaretany ny fijaliana eo amin'ny hazo fijaliana saingy tsy afaka manao izany no sady mamonjy ny mpanota Izy. Ny iray tamin'ireo ihany no tsy maintsy nofidiny.
Ampianarin'ny Soratra Masina koa fa te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra (jereo ohatra ny 1 Tim. 2:4-6; Tit. 2:11; 2 Pet. 3:9; Ezek. 33:11), saingy tsy ny rehetra no ho voavonjy. Inona no ampianarin'izany momba ny maha-zava-misy ny safidy malalaka sy ny fetran'ny fahefan'Andriamanitra eo amin'ireo voary nomena fahafahana misafidy?