Hodinihina mandritra ny herinandro:
Lio. 13:34; Jer. 32:17-20; Heb. 1:3; Deo. 6:4,5; Efes. 1:9-11; Jao. 16:33.
Tsianjery: "Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao." - Jao. 16:33
Fitantanan'Andriamanitra no teny hoenti-manoritsoritra ny asa ataon’Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao. Mampisy fahasamihafana lehibe eo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ny fihevitsika momba ny fitantanany. Misy fiantraikany eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa koa izany ary eo amin'ny fiheverantsika momba ny olan'ny faharatsiana.
Samy hafa ny fahatakaran'ny Kristianina ny atao hoe fitantanan'Andriamanitra. Misy ireo izay mino fa mampihatra ny fahefany amin'ny fomba izay mamaritra ny toe-javatra rehetra hiseho araka ny fisehony Andriamanitra. Inoan'izy ireo fa fidiny mihitsy aza izay ho voavonjy sy izay ho very! Raha izany fomba fijery izany dia tsy manana fahafahana misafidy afa-tsy izay efa nofaritan'Andritamanitra sy nodidiany ny olona. Ny olona izay mino izany dia manao tohan-kevitra fa na ny fanirian'ny olombelona aza dia Andriamanitra no mamaritra azy.
Mifanohitra amin'izany kosa ny porofo goavana asehon'ny Baiboly izay manambara fa tsy mamaritra ny zavatra rehetra izay mitranga Andriamanitra. Omeny safidy malalaka ny olombelona, eny fa hatramin'ny fahafahan'izy ireo (sy ireo anjely) mifidy ny hanohitra mivantana ny Sitrapony aza. Fanehoana manaitra sy mahonena ireo vokatry ny fampiasana diso ny safidy malalaka ny tantaran'ny Fahalavoana sy ny fahotana ary ny faharatsiana. Naorina ny drafi-panavotana mba hanarenana ny loza nateraky ny tsy fampiasana ny safidy malalaka araka ny tokony ho izy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 22 Febroary.