Hoy Andriamanitra ao amin'ny Isa. 55:8,9: "Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehôvah , Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo."
Ambony lavitra noho ny antsika ny fisainan'Andriamanitra. Tsy takatry ny saintsika ny hasarotry ny drafitr’Andriamanitra ho an'ny tantara. Eo anatrehan'izany, nahoana moa isika no tokony hanantena fa afaka hahafantatra marina ny anton'ny zavatra ataon'Andriamanitra na tsy ataony amin'ny toe-javatra samihafa?
Fomba iray azo anazavana ny olan'ny faharatsiana, mifototra amin'ny fanekentsika ny hakelin'ny fahalalantsika, ilay antsoina hoe "théisme sceptique". Ny "théiste sceptique" dia ireo izay mino fa manana antony marim- pototra hanaovana zavatra iray Andriamanitra, kanefa noho ny fahalalantsika voafetra, dia tsy tokony hanantena ho afaka hahafantatra ireo antony ireo isika. Mampisalasala ny "théiste sceptique" ny fahafahan'ny olombelona mahafantatra na mahatakatra tanteraka ny fihevitr'Andriamanitra momba ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao. Tsy hitantsika maso, ohatra, ny mikraoba mitsingevana eny amin'ny rivotra manodidina antsika, kanefa tsy midika izany fa tsy misy izy ireny. Koa ny tsy fahafantarantsika ny fihevitr' Andriamanitra dia tsy midika tsy akory fa tsy manana antony tsara hanaovany zavatra Andriamanitra.
Vakio ny Sal. 73. Ahoana no anazavan'ny mpanao salamo ny faharatsiana sy ny tsy rariny nanodidina azy? Inona no hitany ka nahatonga azy hanana fomba fijery hafa ?
Nahavery hevitra ny mpanao salamo tokoa ny faharatsiana eo amin'izao tontolo izao. Nijery manodidina azy izy ka nahita ny ratsy fanahy ambinina. Toa tsy ara-drariny ny zava-drehetra. Tsy hainy hazavaina izany. Nanontany tena aza izy raha mety ihany ny mbola hinoana sy hanompoana an'Andriamanitra, mandra-pitodiny ka nijereny ny fitoerana masina.
Ny fitoerana masina no manome ny ampahany amin'ny vahaolana dia ny fahafantarana ny fisian'ny Mpitsara marina izay hampanjaka ny rariny sy hitondra fitsarana amin'ny fotoany.
Ny fahatakaran'ny Advantista ny momba ny fitsarana sy ny foto-pampianarana momba ny fitoerana masina dia azo anazavana ny olan'ny faharatsiana; amin'ny fomba ahoana? Manampy anao ve ny mahafantatra fa, na dia manana fanontaniana maro aza Isika ankehitriny, dia haharihary amin'ny farany ireo tsipirian'ny tantara sy ny fitsarana marin'Andriamanitra?