Ho resin'ny fitiavana ny faharatsiana amin'ny faran'ny tantara. Mbola misy fanontaniana manahiran-tsaina maro mipetraka anefa izao. Ahoana no ahafahantsika misaina sy miresaka mikasika ny olan'ny faharatsiana amin'ny fomba izay mety hanampy antsika?
Vakio ny Jôba 38:1-12. Ahoana no anazavan'ny teny navalin'Andriamanitra an'i Jôba ny olan'ny faharatsiana? Manao ahoana ny fahalalantsika izay zavatra mety miseho ao ambadiky ny toe-java-misy?
Ory loatra i Jôba ao amin'ny tantara, ka nametra-panontaniana maro momba ny anton'ny faharatsiana sy ny fijaliana rehetra mianjady aminy. Nangataka hifandahatra tamin'Andriamanitra i Joba, nitady valiny ho an'ny fanontaniany, satria tsy nisy fantany ny amin'izay zava-dehibe mitranga ao ambadiky ny toe-javatra hitany, dia izay mitranga any an-danitra (jereo ny Joba 1-2).
Manaitra ny teny navalin'Andriamanitra an'i Jôba. Toy izao indrindra izany: "Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehôvah dia namaly an'i Jôba ka nanao hoe: Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?" - Jôba 38:1,2. Amin'ny dikan-teny hafa dia hoy Andriamanitra: "Iza moa izato manamaizina ny fikasako, ka miresaka momba ny zavatra tsy fantany akory?" - DIEM. Ary hoy koa Andriamanitra ao amin'ny Jôba 38:4: "Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao." - Jôba 38:4.
Vakio ny Jôba 42:3. Diniho ny valin-tenin'i Jôba. Ahoana no anampian'izany antsika hahafantatra ny toerana misy antsika?
Nambaran'Andriamanitra mazava rehefa namaly an'i Jôba Izy fa maro tokoa no tsy fantatr'i Jôba na takany. Tokony hanaiky amim-panetren-tena toa an'i Jôba isika fa zavatra maro eto amin'izao tontolo izao sy ao ambadiky ny zavatra hitan'ny masontsika no tsy mbola fantatsika velively. Ny tsy fananantsika valiny ho an'ny fanontaniantsika dia tsy midika fa tsy misy valiny mahafa-po izany, na koa hoe ho fantatsika ihany ny momba ny zavatra rehetra indray andro any. Mandra-pahita izay marina, dia mila matoky ny hatsaram-pon'Andriamanitra isika, izay naseho tamintsika tamin'ny fomba maro.
Saino ny hakelin'ny fahalalantsika momba ny zavatra rehetra. Nahoana, araka izany, no tokony hianarantsika ny miaina miaraka amin'ny fanontaniana tsy voavaly momba ny foto-kevitra sarotra indrindra, dia ny faharatsiana sy ny fijaliana?