Vakio ny Efes. 1:9-11. Inona no ambaran’ireo andalan-teny ireo momba ny famaritana mialoha ny anjaran'ny olona? Moa ve efa nofendrena ho voavonjy ny olona sasany ary ho very ny hata?
Ny teny grika nadika hoe "fanendrena" eto sy any amin'ny andalan-teny hafa (prohorizo) dia tsy mampianatra tsy akory fa mamaritra ny tantara amin'ny fomba iray manokana Andriamanitra. Ny hevitr'io teny grika lo dia hoe "manapa-kevitra mialoha".
Mazava loatra fa azon'ny olona iray atao ny manapa-kevitra mialoha sarmirery; azorny atao koa anefa ny manapa-kevitra mialoha nefa mihevitra momba ny fahalalahan'ny hafa manapa-kevitra. Ampianarin'ny Soratra Masina antsika fa ity farany ity no ataon’Andriamanitra.
Ny teny nadika eto sy any amin'ny andalan-teny hafa (ny Rôm. 8:29,30 ohatra) hoe "notendrena dia manondro ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny hoavy noho ny fahafantarany mialoha ireo fanapahan-kevitra horaisin'ny voariny amin-kalalahana. Araka izany, dia azony atao ny mitantana ny tantara ho amin'ny fiafarana tsara araka ny fikasany ho an'ny rehetra; ao anatin'izany anefa dia manaja ny fahalalahana ananan'ny voary Izy, izay fepetra takin'ny fifandraisana misy fitiavana marina.
Ambaran'ny Efes. 1:11 fa Andriamanitra dia "mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony." "araka izay ankasitrahan'ny fony" ny zavatra rehetra? Raha ny Efes. 1:9-11 ihany no vakina dia toa manamafy izany fomba fijery izany. Manohitra ireo andalan-teny maro izay efa hitantsika teo aloha anefa izany fandraisan-kevitra izany, dia ireo andalan-teny izay milaza fa manda ny "sitrapon'Andriamanitra" ny olona indraindray (Lio. 7:30; ampitahao amin'ny Lio. 13:34; Sal. 81:11-14). Raha toa tsy mifanohitra ireo hevitra ambaran'ny Baiboly, ahoana áry no ahafahana manakatra ny tian'ireo andalan-teny ireo hambara amin'ny fomba izay mampifanaraka ny heviny?
Mitombina tsara ny hevitra voalazan'ireo andalan-teny ireo raha ekentsika ny fiavahana misy eo amin'izay antsoina hoe "idealy sitrapon'Andriamanitra sy ny "sitrapon’Andriamanitra ho fanarenana." Ny "idealy sitrapon'Andriamanitra" dia izay tian’Andriamanitra hitranga na izay tokony hitranga raha toa ny rehetra nanao araka izay nirin’Andriamanitra. Ny "sitrapon'Andriamanitra ho fanarenana" kosa dia ny sitrapony izay nampifanarahana tamin'ny toe-javatra hafa, anisan'izany ny fanapahan-kevitra noraisin'ny voary tamin-kalalahana, izay matetika miala amin'ny fanirian'Andriamanitra sy ny fikasany. Raha izany dia hita fa manondro ny "sitrapon'Andriamanitra ho fanarenana ny Efes. 1:11".
Lehibe tokoa ny fahalalan'Andriamanitra mialoha ny hoavy ka na dia fantany aza ny safidy rehetra hataon'ny olona (anisan'izany ny safidy ratsy), dia mbola ataony "miara-miasa hahasoa" ihany ny zavatra rehetra (Rôm. 8:28). Inona ny fampaherezana azonao avy amin'izany fahamarinana izany?