Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 10:1-14; Apok. 13:1-8; Joba 1:1-12; Joba 2:1-7; Jao. 12:31; Jao. 14:30; Mar. 6:5; Mar. 9:29.
Tsianjery:
"Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly." - 1 Jao. 3:8
Tantara miavaka anankiray izay maneho ny toetry ny fifanandrinana lehibe ny 1 Mpanj. 18:19-40. Teo an-tendrombohitra Karmela i Elia ary teo no nampihariharian'i Jehovah ny toetr'ireo izay antsoina hoe "andriamanitry ny firenena." Tsy zavatra noforonin'ny sain'ireo mpanompo sampy fotsiny ireo "andriamanitra" ireo. Nisy zavatra hafa tao ambadik'ireo "andriamanitra" izay noheverin'ny firenena nanodidina ny Isiraely fa notompoiny.
"Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy. dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho, izay tsy natahoran'ny razanareo. Deo. 32:17. Izao no nanampian'i Paoly izany: "Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia aterina amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia hianareo." - 1 Kôr. 10:20.
Ny demonia nisaron-tava no tao ambadik'ireo andriamani-tsy izy izay Ny nivavahan'ny firenena. Midika izany fa ny lahatsoratry ny Soratra Masina rehetra momba ny fanompoan-tsampy sy ny andriamani-kafa dia lahatsoratra mahakasika ny "fifanandrinana lehibe."
Feno kokoa ny fahatakarana ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy noho ny amin'izany tontolon-kevitra izany. Ary izany fahamarinana izany dia misy fiantraikany goavana eo amin'ny fahatakaran-javatra bebe kokoa mahakasika ny toetr'io fifanandrinana io sy ny fitondrany fanazavana mikasika ny olan'ny faharatsiana.
*Famerenana ny lesona ny sabata 08 Martsa.