Fifanandrinana mahakasika ny toetran'Andriamanitra no ivon'ny ady lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy. Ny fiampangana lainga ataon'ny devoly ho fanoherana ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahamarinany ary ny fitondram- panjakany no anton'izany. Karazana raharaham-pitsarana mahafaoka an'izao rehetra izao izany.
Tsy ampy hamahana ny olan'ny fifanandrinana tahaka izany ny fahefana tsotra fa mitaky asa sy fanaporofoan-javatra izany.
Raha misy fiampangana mavesatra mikasika ny manam-pahefana anankiray, dia ny fanaovana fanadihadiana malalaka sy ara-drariny ary mangarahara no fomba tsara indrindra (ary azo heverina ho hany fomba mety) handavana izany fiampangana izany. Raha mandrahona ny fitondram-panjakana (fitondram- panjakan'ny fitiavana) iray manontolo ireo fiampangana ireo, dia tsy azo afenimpenina fotsiny izany tsy akory.
Inona moa no hevitr'izany ho an'ny fahatakarana ny fifanandrinana lehibe sy ny famahana ny olan'ny faharatsiana? Raha mampanantena zavatra Andriamanitra, moa ve Izy hivadika amin'izany teny fikasany izany? Mazava loatra fa tsia. Manaja ireo fitsipika mifehy ny ady Andriamanitra ka mbola voafetra ny asany (ara-môraly). Noho izany, ny faharatsiana sasany dia ao anatin'ny sehatry ny fanjakan'ny haizina izay voafetra.
Vakio ny Mar. 6:5 sy ny Mar. 9:29. Inona no asehon'lreo toko sy andininy ireo momba ny fifandraisan'ny asan'Andriamanitra tanteraka amin'ny vavaka ataontsika sy ny finoantsika?
Ao anatin'ireo fitantarana roa ireo, dia toa misy fetra na fitsipika mifehy ny ady mipetraka, izay mifandraika amin-javatra toy ny finoana sy ny fivavahana. Mahita porofo marobe isika any amin'ny andalanteny hafa, izay maneho fa manova zavatra eto amin'ity tontolo ity ny vavaka. Manokatra lalana ho an'ny fiasan Andriamanitra izay tsy ho niseho tamin'ny fomba hafa izany. Aoka anefa isika tsy ho diso ka hihevitra fa ny finoana sy ny vavaka ihany no mahatonga izany. Azo inoana fa misy zavatra hafa koa izay tsy fantatsika nefa mahatonga izany.
Tsy manipaka ny zavatra efa hitantsika teo aloha mikasika ny fitsipika mifehy ny ady izany.
Vakio ny Rom. 8:18 sy ny Apôk . 21:3,4. Ahoana no anomezan'lreo andalan-Soratra Masina ireo toky anao fa na dia maro aza ny zavatra tsy fantatsika, dia mahazo matoky Isika fa fantatr'Andriamanitra ny mahasoa indrindra, ary izany no iriny, ka hofoanany tsy hisy intsony ny faharatsiana mba hidirantsika ao amin'ny fahasambarana mandrakizay?